Izay miandry an’ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 15 Novambra 2025

Sal 63,1-5 / Hira 547:1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 639

Salamo 27,1 - 14
1 [Fahatokiana an'i Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony] Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako? 2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo. 3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. 4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny. 5 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy. 6 Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho. 7 Mihainoa, Jehovah Ă´, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrĂ  fo amiko, ka valio aho. 8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah Ă´; 9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy. 10 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy*. [Na: Fa na dia mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah aho] 11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah Ă´; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko. 12 Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy. 13 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona. 14 Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.

Sal 63,1-5 / Hira 547:1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 63

Tena manana fahatokiana goavana amin’Andriamanitra Mpiaro azy ny mpanao Salamo noho ny finoana ao anatiny. Koa na vao miomana fatratra aza ny fahavalo, eny na dia efa ao anaty ady koa aza, dia tsy hana-tahotra ny fony, satria azony antoka ny hery ananan’llay ianteherany. Afa-tahotra tanteraka izy satria mino sy manantena ny fandresena omen’ny Tompo azy. Koa aza matahotra fa manoatra noho ny mpandresy isika noho i Jesoa Kristy; satria na ny fahafatesana aza efa resiny.

Faniriana sy hetaheta lalina ao amin’ity mpanao Salamo ity ny hítoetra ao an-tranon’Andriamanitra. Tena fifaliana ho azy ny mitoetra ao satria toeram-pahasoavana, toerana tsara indrindra amin’ny fotoana sarotra. Ambonin’izany rehetra izany, dia ao no toerana manokana hihaonana amin’Andriamanitra ka hanompoana Azy. Noho izany dia te honina ao mandrakariva izy, te ho eo anilan’ny Tompo hatrany hatrany. Ny Fiangonana dia tokony toerana mampangetaheta ny mino.

Vokatry ny fifandraisana tsara dia tsy misalasala mitaraina amin’ Andriamanitra ny mpanao Salamo. Ny fandrenesany ny Teny dia manosika azy hangataka. Hoy Jesoa: « …raha mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho… « (Jao.15,7). Mangataka izy satria inoany fa mihaino sady mamaly vavaka ny Tompo (and.10) manoloana ny loza mitatao (and.12). Misy fomba tsara ianarana eto: mialohan’ny hilazana ny manahirana dia ny famindrampon’ny Tompo no italahoana satria tsy misy tanteraka na dia iray aza.

Inona no ataonao voalohany raha mandalo fotoan-tsarotra?