TOLOTRASA SEKRETERA JENERALY FJKM
TOLOTRASA SEKRETERA JENERALY FJKM
Ny FJKM, amin’ny alalan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, dia mitady olona ho SEKRETERA JENERALY FJKM hiasa mandritra ny 4 taona (2025-2029)
ANDRAIKITRY NY SEKRETERA JENERALY
Araka ny Fitsipika FJKM (FDF and.272), dia toy izao no ventin’ny andraikitry ny Sekretera Jeneraly:
1-Tompon’andraikitra mivantana amin’ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe, ny an’ny Mpiandraikitra Foibe, ny an’ny BMF, ny an’ny FiFaMpi Foibe.
2-Tompon andraikitra amin’ireto Fitantanana ireto: Fampandehanan-draharaha, olona, fanofanana, lalana, vola, fanaraha-maso, fifampiraharahana, tatitra, fifandraisana amin’ny SP, adidy.
TSANGANANA HO SEKRETERA JENERALY
Toy izao ary ny tsanganana ho an’izay hirotsaka ho mpifaninana amin’izany toerana izany:
-Mpitandrina FJKM 40-60 taona.
*Manana ny mari-pahaizana Master (Théologie, sehatra hafa), raha kely indrindra.
*15 taona niasana mitohy tato amin’ny FJKM
« Izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena » (Asa.6.3)
ANTONTAN-TARATASY ILAINA
1-Dinidinika momba ny tena (CV)
2-Taratasy fanehoam-pahavonana
3-Taratasy fanolorana avy amin’ny Prezida Synodaly
5-Dinidinika (CV) mifanaraka amin’ny andraikitra faobe an’ny Tonian’ny Departemanta (FDF and. 272,273) sy izay andraikitra manokana andrasana aminy momba ireo olona ho Tonia (Tonian’ny Fiangonana, Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly, Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny Vola ary ny Tonian’ny Departemantan’ny Fananana sy Fampamokarana) atolotrao hiara-miasa aminao, raha voafidy lanao.
FANAMARIHANA
1-Ny antontan-taratasy dia aterina ao amin’ny Biraon’ny Filohan’ny FJKM ao amin’ny Foibe FJKM Ifanomezantsoa Analakely Antananarivo na alefa amin’ny adiresy mailaka zakaandriamampianina@gmail.com hatramin’ny ALAKAMISY 02 OKTOBRA 2025 amin’ny 4 ora tolakandro, raha ela indrindra.
2-Hisy fihaonana hifampidinihana (entretien) hatao amin’ny mpifaninana tsirairay.
Ifanomezantsoa, Zoma 04 Oktobra 2025
Filohan’ny FJKM
ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina