Vavaka
VAVAKA
Na inona tafiotra
Mamely sy mandrava:
Ny vavakao akaro !
Na toa marenina aza (sanatrianâny vava)
Ny any an-danitra any
Ka tsy mety tonga ny valin-teny andrasana:
Ny vavakao akaro !
Fa ny vavakao dia hery mahagaga
Afaka manova ny lalanâny Tantara,
Ko herezo hatrany:
Ny vavakao akaro !
Saingy, etsy koa:
Ny vavakao miakatra
Raha toa ka toetra midina
No miara-dalana aminy,
Toetra fantatrao fa ratsy nefa atao,
Dia atsaharo aloha ny fivavahanao.
Tapaho ny hevitrao hifidy lala-miakatra,
Hiova ho vaovao
ândeha tohizo indray:
Ny vavakao akaro !
Fa vavabava-poana
Ny vavaky ny fo
Maditra, tsy mibebaka.
Saino izany anio
IRAKO AMMI