Hafatry ny Filoha / Martsa 2018.
Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara!
Ry Fiangonana ĂŽ, meteza,
mijoroa sy mahereza!
âNdeha efao
Ny iraka nomena anao
Fa ianao no andrandraina
Hitondra aina
Hoenti-manantena indray
Ho anâizay
Donafanâadim-piainana
Anaty fitaintainana
Efa ho isanâandro vaky
Fa reraka mitaky
Ny zony mba hiaina
Kanefa mahatsiaro fa toa very maina!
Ianao, ry Fiangonana,
no herim-pisoronana
hitondra famonjena
ho anâny firenena!
Raha toa ianao mijoro
Dia hahatorotoro
Ny herim-paharatsiana
Mitondra fahoriana
Sy fahantrana adala
âzay mampihoalahoala
Vahoaka tsy hita lany
Mihohoka aminâny tany
Koa mijoroa, ry Fiangonana,
tafio ny tena fahavononana
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA AMMI,
Mpitandrina , Filohan’ny FJKM