Ny maha Izy Azy an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Janoary 2025

Sal 104.1-6 / Hira171, 1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 98, 1-2

Isaia 66.1-2
1 [Ny toe-panahin'ny tena Isiraely sy ny fandavana ny tsy izy, ary ny fandrosoan'ny Fiangonana sy ny hamoriana ny firenena rehetra hankany Jerosalema, ary ny handringanana ny ratsy fanahy] Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako ? 2 Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.

Asehon’ny faminanian’i Isaia amin’ny kisarin-teny mora azo ny halehiben’Andriamanitra izay ilazany fa ny tany iray manontolo no fitoeran-tongony. Ny tany izay tsy ho azon’ny olona an-tsaina mihitsy ny hahafehy izany haben’izany sy ny zavatra rehetra ao aminy. Ambonin’izany, ny lanitra no seza fiandrianany. Ny lanitra izay tsy ho takatry ny sain’olombelona ho visavisaina ihany koa ny habeny. Izany no maneho ny halehiben’ Andriamanitra ka tsy azon’ny olona atao ny mametra na mamaritra an’Andriamanitra ho amin’ny toerana voafaritra na voafetra. Lehibe sy tsy voafaritra tahaka izany koa ny fahasoavany sy izay olona tiany ho vonjena. Ampahany amin’izay maha Izy Azy kely fotsiny ny fahazavan-tsaina ananantsika hahatakatra fa lehibe Izy.

Na dia tsy voafaritra aza ny olona tiany ho vonjena dia mazava tsara kosa izay voalaza eto fa mitsinjo ny olona izay malahelo am- panahy sy torotory fanahy Izy. Mitsinjo izay mangovitra noho ny Teniny Andriamanitra, izany hoe mitsinjo izay matahotra Azy. Tsy ny halehiben’ny asa na ny zavatra atao ho an’Andriamanitra no itsinjovan’ Andriamanitra ny olona fa ny fahatahoran’ny olona Azy. Na miasa be tokoa aza kanefa tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra amin’izany dia zava-poana izay rehetra atao.

Tena matahotra an’Andriamanitra tokoa ve ianao?


Mofon'aina teo aloha

Ny fitsaran’Andriamanitra

Alakamisy, 16 Janoary 2025

Ny fitsaran’Andriamanitra 1- Hanandratra izay miorina tsara Nampaherezin’Andriamanitra tamin’ny fahitana i Jaona ka dia nampahery…

Ahoana ny fomba hiatrehana zava-tsar...

Alarobia, 15 Janoary 2025

Ahoana ny fomba hiatrehana zava-tsarotra? Manoloana ny olana mbamin’ny ady sarotra sy manahirana toy izay…

Ny antikristy.

Asabotsy, 4 Janoary 2025

LEHIBE NY FIANDRIANAN’ANDRIAMANITRA Ny antikristy. 1- Inona moa izany? Ny hevitry ny teny hoe antikristy…