Ho avy tampoka ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Jona 2024

Lioka 21. 34-36

Lioka 21. 34-36
34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. 35 Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra et? ambonin'ny tany rehetra izany. 36 Fa miambena* ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.

Ho avy tampoka ny Tompo

1- Tandremo sao mamo

Voalazan’i Jesoa eto amin’ity teny ataony ity fa ny fisotroan-toaka dia tsy zavatra miditra eo amin’ny vava fotsiny ka tonga ao an-kibo fa tonga manova ny fon’ny olona misotro azy. Ary tsy hoe tonga ao am-pony fa tena mamesatra ny fony mihitsy. Izany hoe tonga mibaiko ny fony sy amin’izay ataony. Tsy fahatsiarovan-tena no ateraky ny fisotroan-toaka ka mila mitandrina isika. Mahatonga antsika tsy hahatsiaro fa mila miambina isika. Sao ianao amin’izao Fetim-pirenena izao ka variana amin’ny fisotroan-toaka? ka adinonao fa hoavy tampoka ny Tompo.

2- Miambena ka mivavaha

Raha ho avy ny Tompo. Mba fantatrao ve ny toerana tokony ahitany anao? Sao eo am-body tavoahangy? Sao eo am-pilalaovana? sao mbola anaty fahafinaretan’izao tontolo izao? Ny toerana tokony ahitana anao rehefa tonga Jesoa avy eny amin’ny rahon’ny lanitra dia eo am-pototry ny Hazo fijaliana. Ny fiambenana sy ny vavaka mantsy dia fanatsarana ny fifandraisana amin’Andriamanitra ary fitoerana ao amin’ilay famonjena izay notanterahany ho antsika.

Fanontaniana:

Inona no mbola mamatotra ny Malagasy maro amin’izao faha-64 taona niverenan’ny fahaleovan-tena izao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Vavaka fototry ny fahombiazana

Zoma, 21 Jona 2024

1 Sam. 7.2-14 Vavaka fototry ny fahombiazana! Nalahelo an’i Jehovah ny olona noho ny fiaran’ny…

Manome fiainana miavaka ho anao ny T...

Talata, 18 Jona 2024

Manome fiainana miavaka ho anao ny Tompo 1- Mampitoetra anao amin’ny fiadanana Toerana iray miavaka…

Miaro ny olony ny Tompo, ka

Alahady, 16 Jona 2024

<< Ary ny Tompo niteny tamin’i Paoly tamin’ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza…