Jehovah ilay mpamonjy

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Jona 2024

Salamo 121. 1-8

Salamo 121. 1-8
1 [Fahatokian'izay manana an'i Jehovah ho Mpiaro azy] Fihirana fiakarana*. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy**? [**Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][**Na: Izay ihavian'ny famonjena ahy] 2 Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. 3 Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. 4 Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely. 5 Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao. 6 Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina. 7 Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. 8 Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.

Jehovah ilay mpamonjy

Eny, avy Aminy ny Famonjena

Maro ny zavatra heverintsika hahitana famonjena. Ary tsy mampaninona antsika akory ary ny miantso sy mivavaka amin’ny sampy maro samihafa rehefa heverintsika ahazoana famonjena izany. eto ny mpanao salamo dia mampianatra antsika fa ny famonjena dia avy amin’i Jehovah. Izy no miandraikitra sy manolotra izay rehetra ilaintsika. Na ara-nofo na ara-panahy. Izy no efa niteny tamintsika hoe: <<ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany ». Ny mpanao salamo eto dia nampitodika ny masony tamin’ireo tendrombohitra manodidina. Nefa tsy nisy hitany ho azo antoka miohatra an’Andriamanitra izany.

Eny, Izy no Mpanavotra:

Ny olona mandray Azy dia tonga eo ambany fiahiany sy fiarovany mandrakariva. Hoy Jesoa hoe «fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra fa mihoatra ny tsintsina maro ianareo » (Lio 12,7). Na miditra na mivoaka hoy ny and.8 dia hiaro antsika Jehovah. Manomboka anio ka ho mandrakizay. Mariky ny fandraisana andraikitra matotra izay ataony amintsika izany. Tsy mba olombelona Izy ka handainga fa izay lazainy dia tanterahany koa matokia Azy

Fanontaniana:

Inona avy no efa nitantanan’ Andriamanitra anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Vavaka fototry ny fahombiazana

Zoma, 21 Jona 2024

1 Sam. 7.2-14 Vavaka fototry ny fahombiazana! Nalahelo an’i Jehovah ny olona noho ny fiaran’ny…

Manome fiainana miavaka ho anao ny T...

Talata, 18 Jona 2024

Manome fiainana miavaka ho anao ny Tompo 1- Mampitoetra anao amin’ny fiadanana Toerana iray miavaka…

Miaro ny olony ny Tompo, ka

Alahady, 16 Jona 2024

<< Ary ny Tompo niteny tamin’i Paoly tamin’ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza…