Miaro ny olony ny Tompo, ka:

Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Jona 2024

1 Mpanjaka 16. 8-10

1 Mpanjaka 16. 8-10
8 Tamin'ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Elaha, zanak'i Basa, tamin'ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy. 9 Ary Zimry mpanompony, komandin'ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon'i Arza, lehiben'ny tao an-dapa tao Tirza, izy. 10 Dia niditra Zimry ka namely an'i Elaha ho faty tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.

Miaro ny olony ny Tompo, ka:

1- Tanterahiny ny Teniny

Mpanjaka iray antsoina hoe Elaha, izay nanjaka tao amin’ny fanjakana Avaratra, no voalaza eto. Roa taona no nanjakany hoy ny and.8. Ho fiarovan’Andriamanitra ny olony dia tsy avelany haharitra ny taranaky ny ratsy fanahy. Ivereno vakiana ny and.1-4 fa noho ny ratsy izay nataon’i Basa mpanjaka dia nofongorana ny Notanterahan’Andriamanitra izany eto. taranany.

2- Fongorany izay mpitarika amin’ny faharatsiana

Voalaza eo amin’ny and.9 fa tamin’ny fotoana izay nisotroan’izy ireo ka mamo no nanafihan’i Zimry azy. Mpanjaka misotro sy mitarika ny olona ho amin’ny fahamamona fa tsy mba lehibe ho fitaratra ho an’ny vahoaka. Nofongoran’Andriamanitra tsy ho eo amin’ny fanjakany.

Fehiny:

Andriamanitra tsy azo vazivaziana ny Andriamanitsika fa izay afafin’ny olona no jinjainy. Ary izay fahotana sy tsy fahamendrehana nataon’ny ray aman-dreny dia tokony hialana mba tsy handovana ny ozona sy izay fahatezeran’ Andriamanitra. Basa efa nanao ratsy mbola nisotro toaka ihany Elaha zanany. Ary eto ny vokatry ny fahamamona dia tsy hahatsinjovana ny fahafatesana.

Fanontaniana:

Tanisao ireo voka-dratsin’ny fahamamoana fantatrao

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Vavaka fototry ny fahombiazana

Zoma, 21 Jona 2024

1 Sam. 7.2-14 Vavaka fototry ny fahombiazana! Nalahelo an’i Jehovah ny olona noho ny fiaran’ny…

Manome fiainana miavaka ho anao ny T...

Talata, 18 Jona 2024

Manome fiainana miavaka ho anao ny Tompo 1- Mampitoetra anao amin’ny fiadanana Toerana iray miavaka…

Miaro ny olony ny Tompo, ka

Alahady, 16 Jona 2024

<< Ary ny Tompo niteny tamin’i Paoly tamin’ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza…