Ny olona mijoro amin’ny finoana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Aogositra 2023

I Petera 4:1-6

1 Petera 4,1 - 6
1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka* tamin'ny ny ota; [* Gr.nampitsaharina] 2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. 3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; 4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; 5 nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty 6 Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.

Ny olona mijoro amin’ny finoana

1-Mandresy ny fahotana

« Fa Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota » (and 1). Fianarana ho antsika i Kristy izay niaritra tamin’ny nofo. Tsy nandaitra taminy ny fakam-panahy avy amin’i satana. Ny fiaretana manoloana ny filàn’ny nofo araka izany dia fahafahana tanteraka amin’izany ota izany.

2-Mahay mandamina tsara ny fandaharam-potoanany

« Mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filàn’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’ Andriamanitra » (and2). Ny fahafahana amin’ny ota dia sady mitsitsy fotoana no ahafahana mifantoka amin’izay tena maika sy zava-dehibe ary izay mahasoa.

3-Mandeha araka ny Sitrapon’Andriamanitra

« …Fa araka ny Sitrapon’Andriamanitra » (and2b). Miara-dalana ny fiaretana amin’ny nofo sy ny fandehanana araka ny Sitrapon’ny Tompo. Zava-poana ihany ny fiaretana ivelan’ny fanarahana ny Sitrapon Andriamanitra. Ilay zanaka adala mba nijaly sy niafy ihany saingy noho ny fandavany ny fiadanana tao amin’ny rainy no fototr’izany.

4-Miala amin’ny fanaon’ny Jentilisa

Ny mpino mijoro amin’ny finoana dia afaka amin’ny fijejojejoana, fanirian-dratsy, fimamoana, filalaovan-dratsy, fisotroan-toaka, fanopoan-sampy (and 3). Olona afaka ny kristiana ka tsy voafatopatotry ny fanaon’izao tontolo izao intsony. Efa olom-baovao, efa lasa ny zavatra taloha. Aoka ary hofehezina ny fanirian-dratsy sy ny sisa. Aoka hiantehitra amin’ny Tompo irery ihany.

Fanontaniana

Inona avy no mampiavaka ny olona tena mijoro amin’ny finoana marina?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny fifandraisana amin’ny Tompontsika

Talata, 1 Aogositra 2023

Ny fifandraisana amin’ny Tompontsika 1- Ananany fahefana feno ny hitohizany na tsia. « Marina ihany izany,…

Ny olona nantsoin’ Andriamanitra

Alatsinainy, 31 Jolay 2023

Ny olona nantsoin’ Andriamanitra 1- Hamasininy «Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho…

Jesoa Kristy maniraka ny mpianany

Alahady, 30 Jolay 2023

Jesoa Kristy maniraka ny mpianany 1- Manome baiko azy hampianatra «koa mandehana ianareo, dia ataovy…