Ny olona nantsoinâ Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 31 Jolay 2023
I Tesaloniana 5. 23 - 28
1 Tesaloniana 5,23 - 28
23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. 24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. 25 Ry rahalahy, mivavaha ho anay. 26 Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina. 27 Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy* rehetra ity epistily ity. [* Na: (rahalahy masina)] 28 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.Ny olona nantsoinâ Andriamanitra
1- Hamasininy
«Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanterakaâ (and. 23)
Firariantsoa na vavaka nataonâi Paoly Apostoly ho anâny kristiana tany Tesalonika mba hanamasinanâAndriamanitra azy reo. Ny fanamasinana, tahaka ny fanamarimana, dia asanâ Andriamanitra aminâny alalanâny fahasoavany ao aminâ Kristy. Kanefa, tokony hivoatra tsikelikely izany ka hita taratra aminâny fomba fiainanâny olona, ka i Jesoa Kristy no ohatra aminâ izany. Ny toetran ny olona eo aminâ ny fiainana andavanandro no ahafantarana azy na masina na tsia. AtaonâAndriamanitra miavaka aminâny mpanao ratsy ny toetran’ny olona efa nohamasininy. Aminâny finoana anâi Jesoa Kristy ihany no itomboana izany. Koa mifikira aminâi Jesoa Kristy dia hitombo amin’ny fahamasinana tsika.
2- Arovany
«ka aoka harovana (âŠ) tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika.» (and. 23)
Ny matoanteny hoe «harovana» eto dia azo adika ihany koa hoe «hitahiry » Izany hoe Andriamanitra no mitahiry ny olona nohamasininy ho voatahiry tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, tsy misy kilema mandra-pihavinâi Jesoa Kristy indray. Tsy efanâny ezaka ataonâny olona fotsiny ihany ny haharitra ammâny finoana sy ny fanompoana anâAndriamanitra. Asanâ Andriamanitra madiodio ny mampaharitra ny olona aminâny fanompoana Azy. Noho izany, adidinâny mpino ny mangataka aminâAndriamanitra, hitahiry, haharetana hatraminâ ny farany aminâny finoana sy ny fanompoana anâi Jesoa Kristy.
Fanontaniana
Ahoana ny fomba iainanao ny fanamasinana avy amin’Andriamanitra?
SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM
93