Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Jolay 2023

Salamo 89. 19- 32

Salamo 89,19 - 32
19 Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy* tamin'ny olona.[Na: nanandratra zatovo avy] 20 Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy; 21 Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy. 22 Tsy hamitaka* azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. [Na: hitaky trosa aminy] 23 Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy. 24 Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony. 25 Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony. 26 Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy. 27 Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany. 28 Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy. 29 Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra. 30 Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko, 31 Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany, 32 Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ahoana no ahatsapanao fa voafidin An...

Zoma, 7 Jolay 2023

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Inona no tombontsoan ‘ny mino an And...

Alakamisy, 6 Jolay 2023

Abrahama vao avy nampanantenain’ Andriamanitra taranaka, na dịa efa zato taona aza no asehon’ny tantara…

Tsarovy fa manan-danja manokana iana...

Alarobia, 5 Jolay 2023

2-Tsarovy fa manan-danja manokana ianao « Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy… firenena masina, olona nalain’Andriananitra…