AFIFAB / FJKM Wagner (SP 37)
Fiaraha-miasan’ny AFIFAB sy ny FJKM Wagner
Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny AFIFAB ,Solosaina fampiasa any amin’ny birao miisa roa efa nahavitana ny pitsopitsony teknika ilaina amin’ny asa fanaovan-gazety, sy solosaina azo enti-tànana iray izay efa vita “configuration” ho amin’ny fandrafetan-tsary “vidéo”, ireo no fitaovana natolotry ny fiangonana FJKM Wagner(Paris)Synodamparitany faha-37 Vatofehizoro Ampitan-dranomasina ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-Baovao na AFIFAB FJKM.
Ny Mpitandrina RAHOLIARISON Yves, Filohan’ny Sakaizan’ny Radio Fahazavana maneran-tany no nanolotra izany ny Alarobia 25 Oktobra 2017 lasa teo tao amin’ny biraon’ny AFIFAB FJKM.
Ny Talen’ny AFIFAB, RAZAFIMALALA Tantely Hariliva niaraka tamin’ny solontenan’ny Komity AFIFAB, RAOELISON Gaby , ary tomponandraikitra ao amin’ny asa fanaovan-gazety kosa no nandray ireo fitaovana ireo. Nambaran’ny nanolotra ny fitaovana, fa santatra am-bavarano ihany izao fanomezan-tànana izao.
Marihina, fa tena ilain’ny AFIFAB tokoa ny fitaovana toy izao satria iaraha-mahalala ny tsy fahampian’ny fitaovana eo am-pelatànany eo amin’ireo sehatra samihafa mandrafitra azy : ny Radio Fahazavana, ny Gazety Marturia Vavolombelona, ary ny Site Web FJKM.Misaotra sy mankasitraka ireo havantsika nanao izany fanomezana izany isika .
Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .
afifab/ Foibe FJKM