Fiainam-bavaka
FOTOANA IHAONANA AMINâANDRIAMANITRA ISANâANDRO
Nanana toetra nitovizany ny olon’Andriamanitra nalaza tamin’ny fotoan’andronâny Baiboly: olom-bavaka izy ireo. Nanao fotoana raikitra nihaonana taminâAndriamanitra izy.Vakiantsika ary fa Mosesy sy Josoa dia nandany fotoana maro niarakataminâAndriamanitra. Nanova anâ i Mosesy mihitsy izany, ary hitantsika fa ny tavany dia nanomboka namiratry ny hazavana. Niresaka taminâAndriamanitra toy ny olona miresaka amin’ ny namana izy, hoy ny Baiboly.Fantantsika fa Daniela, na dia praiministra tao an-tanĂ na aza, dia nivavaka in-telo isanâandro tao amin’ny toerana voatokana. Nanome azy hery hino anâAndriamanitra
tsy amin-tahotra izany, na dia mety hanefa aza ny ainy.Voalaza fa ny Apostoly Jakoba dia nahazo solonâanarana hoe Lohali-dRameva, satria nisy kitro sahala amin’ny anâny rameva mihitsy ny Iohaliny noho ny fandohalihany tsy niato nandritra ny ora maromaro nivavaka. Izany no ananany fahefana be rehefa
mampianatra antsika momba ny herinâ ny vavaka izy (Jakoba 5 :16).Tsy ny olona ao aminâny Baiboly ihany. fa ny kristiana nanomboka hatraminâizay,dia nahatsapa ny ilĂ na ny vavaka betsaka. Ny mpitondra fiangonana lehibe taminâny vanim-potoanâ ny Fanavaozana (RĂ©formation) toa anâi Luther sy Calvin dia nilaza fa nivavaka nandritra ny fotoana maro isanâandro, ary arakaraky ny hasarotry ny zavatra atrehiny anatin’ ny andro no habetsaky ny vavaka ataon-dry zareo. Na dia ny mpitondra fiangonana amin’izao fotoana izao aza dia niaina anâizany. Paul Yougghi Cho any Korea dia mpitandrina ao amin’ ny fiangonana lehibe indrindra eto amin’ izao tontolo izao, nisy mpivavaka 500 000 isa eo ho eo. Ao amin ny boky
nosoratany mitondra ny lohatany hoe « Ahoana no ahatonga ny finoana hiasa », dia milaza izy fa tsy maintsy mivavaka, farafahakeliny adinâny roa na adinâny telo isanâandro izy mba hahavitany ny asany. Ary ny fiangonany dia mitombo haingana noho ny fiangonana hafa rehetra. Samy mahafantatra isika hoe ahoana ny hasarotry ny fihaonana aminâny manam-pahefana sasany. Indraindray ianao mila miandry na milahatra fotoana maharitra alohanâny handraisany anao. Nefa Andriamanitra, izay tsy maintsy mihaino olona an-tapitrisany maro, dia miandry ny vavakao. Vonona mandrakariva ny hihaona
amintsika izy raha manatona Azy isika. (Jakoba 4Â :8). Aoka hitombo ara-panahy hatrany aminâny alalanâny fihaonana aminâAndriamanitra isanâandro ianao. Jereo ny fomba nandaminany ny fotoana sy ny toerana mety aminâny fandaharam-potoananao isanâandro.
Marturia vavolombelona
lah 977