JEM / Tanora Mpanefa Iraka .

“Sound Of the Nations” na Akon’ny Firenena 

Ianao sy ny fiainanao no fiderana an’Andriamanitra
voalohany indrindra

Misaotra an’Andriamanitra fa vita soamantsara ny “Sound Of the Nations” na Akon’ny Firenena, izay natao teto Madagasikara ny 6 hatramin’ny 31 Aogositra 2017 lasa teo.

Nanokatra ny maso sy ny fon’ny mpiofana bebe kokoa tamin’Andriamanitra sy tamin’ny tenany  ary tamin’ny fiderana an’Andriamanitra ny fiofanana .Nisy fiantraikany tamin’ny fiainan’izy ireo, indrindra fa ny fampianarana izay nanamafy ny maha-izy azy ny tsirairay ao amin’i Kristy (Identité en Christ), ny fiainam-piderana (worship as a life style), Ny fanavotana ny kolontsaina ho an’Andriamanitra (Redeeming Culture), Ny maha-artiste an’Andriamanitra (God the Artist), sy ny hafa tsy voatanisa. Raha fintinina dia : Ianao sy ny fiainanao no fiderana an’Andriamanitra voalohany indrindra mialoha ny hira sy ny zavatra hafa marobe.

Ankoatra izay efa voalaza tany amin’ny lahatsoratra tany aloha dia anisany nanamarika iny fiofanana iny ihany koa ny vavaka am-pandehanana natao ho an’ny tanànan’Ambohitrimanjaka, izay nisy ny fiofanana : nozaraina ho tarika vitsivitsy tamin’ny  làlana samy hafa ny mpiofana ary samy nivavaka sady nandeha teny amin’ny làlany avy.

Talohan’ny nifaranan’ny fiofanana dia nisy ny fihaonana tamin’ny Sekoly Fanofanana Mpianatra (SFM) iray hafa avy amin’ny Jeunesse En Mission Worcester-Afrika atsimo.  Niara-nivavaka sy nihaino an’Andriamanitra tamin’ny mpiofana malagasy sy vahiny izy ireo momba ny firenena manaraka handray ny “Sound Of the Nations”.

Firenena vitsivitsy sy tari-dàlana maro no voaray nandritra ny vavaka sy ny fihainoana. Nifanaraka ny rehetra fa samy mbola hitohy hivavaka na dia hisara-toerana aza mandrapahafantatra an’ilay firenena handray ny manaraka.

Efa nody avokoa ny mpiofana malagasy , efa any Afrika Atsimo  ireo vahiny rehefa avy nifanao veloma tamin’alahelo ny roa tonta. Tsy adinon’izy ireo ihany koa  ny nanao veloma ny andiany SANTATRA FAHAZAVANA, mpiofana serasera sy Fifandraisana AFIFAB-FJKM tamin’ny fotoana farany nifampiresahan’izy ireo tamin’ny Teny Anglisy, izay anisan’ny asan’Andriamanitra nataony nandritra ny fijanonany teto Madagasikara.

 

Razafialinoro Mamy Danieline

Jeunesse En Mission-Palais de Louange

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV