Hafatry ny Filoha/Des 2022

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa hifarana ny taona

Ka fotoana mety izao

Hitodihana ny lasa

Ny amin’ny asa izay natao.

Amin’ito asa mafy

Midadasika tokoa:

mety hahatsiaro tena

ho tena kely angamba ianao,

kanefa na ny vitsika aza,

moa ve tsy tena kely;

saingy he ny fahendreny

azontsika alaina tahaka

amin’izato fahazotoany,

amin’izato firindràny,

am’izato fifandraisana

efa tena lalim-paka

amin’izy samy izy,

tsy mba misy mifamely!

Koa na toy ny bitika aza

Ny zava-bitan’isanisany,

Tonga zava-dehibe

Rehefa indray mitambatra eo !

Ary izato ianao sy izaho

Mba manahoana kosa re?

Moa mihevi-tena ho kely

Dia mijanona am’izao

Tsy mirotsaka hanefa

Ny anjara adidinao?

Diniho ny lasa dia sahia

Manefy fikasana vao:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 11. Ala. III man. Paska - S. Lehilahy Kristiana
Zak. 4. 1-7 | Mar. 13. 9-11 | 1 Pet. 1. 10-12

| | 18. Ala. IV man. Paska - Mpiasa Foibe FJKM
2Sam. 23. 1-7 | Mat. 12. 22-30 | 1 Kor. 12. 1-11

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17