BMF/Fanambarana vonjy voina

Fanambarana manokana (Jan 2022)

«Miorena tsara, aza miova» (Kor 15:58)

Ry havana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny Biraon’ny mpiandraikitra Foibe dia manao izao hafatra izao: Mampahery ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny toy ny rivo-doza, ny ranobe sns..izay misy fiatraikany mafy eo amin’ny fiainantsika. Maro ireo traboina rava fananana, namoy havan-tiana, ao ireo nandao tsy fidiny ny toeram-ponenana. Miaina ao anatin’ny fahasahiranana lalina isika.Fa hoy ny Soratra masina: ” ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin‘ny voninahiny mandrakizay ao amin‘i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo” I Pet. 5,10

Miantso antsika rehetra hanamafy hatrany ny vavaka isam-batan‘olona sy isan-tokantrano fa: “ny fiasan‘ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra” Jak. 5,16b

Manentana ny rehetra samy hiomana fa araka ny vinavinan’ny mpahay toetrandro dia mbola mety hisy roa amby folo (12) eo ho eo ny andro ratsy ka ny 4 hatramin’ny 6 mety ho rivo-daza, hatramin’ny volana Avrily 2022. Aoka hanaraka tsy tapaka ny vaovao sy toromarika omen’ny tomponandraikitra isika. Hoy ny Soratra Masina: “fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona” Lio.21,36

Hoy ny Soratra Masina: “fa noana Aho, dia nomenareo hanina, nangetaheta Aho dia nampisotroinareo, nivahiny Aho dia nampitranoinareo, tsy nanan-kitafy Aho dia notafianareo, narary Aho dia notsaboinareo… Lazaiko aminareo marina tokoa: araka izay efa nataonareo tamin‘ny anakiray amin‘ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko” Mat. 25:35,36ab, 40

Noho izany dia mitaona antsika hanao voin-kava-mahatratra ho an’ireo traboina, eo amin’ny faritra misy antsika, ho an’ny isam-pitandremana sy isaky ny Synodamparitany.

Koa miantso antsika Mpitandrina sy ny tomponandraikitra amin‘ny Fitandremana, hanentana sy handray ny fanampiana ary handamina ny fizarana izany ho an‘ireo traboina.

Azontsika atao ihany koa ny manatitra izany mivantana aty amin’ny Foibe FJKM varavarana 201 (Aumonerie) na handefa izany amin‘ny Mvola finday : 034 96 209 32 (Andry Nina Velosoa TDMVF) Raison:Vonjy Voina, na arotsaka amin‘ny Bankin’ny Foibe FJKM, BAOBAB BANQUE : 00013 00022 23658977811 43 Tsaralalàna

Aoka isika hijery ny zava-misy marina eo amin’ny toerana izay misy antsika ka hahafoy tena, fananana, ary hanao asa soa sy fiantrana ho an‘ireo mila vonjy, hahafoy fotoana hampahery ary hitrotro am-bavaka azy ireny. Araka ny Soratra Masina: “Isika tsy maintsy manao ny asan‘izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro” Jao 9, 4a

Ho antsika tomponandraikitra, samia manao tatitra marina sy mazava eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny Fiangonana ary ny fiaraha-monina, Fa hoy ny Soratra Masina: “fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason‘ny Tompo ihany, fa eny imason’ny olona koa.” 2 Kor. 8,21

Manao veloma anareo amin‘ny anaran’ilay Tompo Jesoa Lohan‘ny Fiangonana.

Ny Filohan’ny FJKM
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV