Alakamisy 09 Desambra 2021

SALAMO 68.1-4

Ny fifalian’ny olona miaraka amin’Andriamanitra

Rehefa monina eo amin’ny olony Andriamanitra dia resy tosika ny fahavalo rehetra . Mifaly ny olona .

1-Miara-dia amin’ny olony Andriamanitra

« Aoka hitsangana Andriamanitra » . Izany no antso ataon’ny mpanompon’Andriamanitra .Toy ny olona mandeha làlan-tsarotra ka mangataka ny fanatrehan’Andriamanitra . Mangataka ny fitondran’Andriamanitra mba tsy ho irery manoloana ny toe-javatra tsy maintsy handehanana.Ny olona mino fa manatrika ny fiainany Andriamanitra , tsy mamela azy hiady irery dia mahay mifaly, mahatsapa ny fombàn’Andriamanitra , ka na dia maro aza ny zava-manahirana dia resy ny adi-tsaina , miova ho fifaliana ny fahoriana .Misy tokoa ny fifaliana ho antsika ao amin’Andriamanitra .Minoa fa miara-dia aminao Izy , manatanteraka ny teniny , dia ho tsapanao izany.

2-Mandositra ny fahavalo

Rehefa miseho sy miasa eo amin’ny fiainan’ny vahoakany Andriamanitra dia resy tosika ny fahavalo rehetra .Tsaroana eto ny zava-mitranga tamin’ny fotoana niaingan’ny Zanak’Israely niala tany an’efitr’i Sinay nitondra ny fiaran’ny fanekena (Nom 10) .Tsy manan-kery eo anoloan’ Andriamanitra ny fahavalo rehetra , mandositra , miely toy ny setroka , miempo toy ny savoka . Misitraka fiainam-pahasoavana kosa ny vahoakan’Andriamanitra , voavonjy tamin’ny tànan’ny fahavalo ka mifaly , midera mankalaza an’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Mitondra inona ho anao ny teny fampanantenana nataon’iJesoa hoe : « indro Izaho momba anareo mandrakariva« ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV