Alahadin’ny Aumônerie 2021
Alahady 15 AOGOSITRA 2021
« MIORENA AMIN’NY ASA TSARA »
- Fiarahabana Apostolika : « Efesiana 1 : 2a »
- Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra :
- Salamo 46 :1-7
- Hira FFPM 08 « Dera, laza, hery , haja »
- Vavaka fisaorana sy fiderana
- Sitrapon’Andriamanitra : Jaona 16 :33
« Sambatra ny mahitsy lalana, … » (Salamo 119 :1,2)
- Hira FFPM 170 2,4« Mahery ny fitiavanao »
- Fiaiken-keloka : Vavaka fifonana
- Famelan-keloka : I Petera 2 :24 Hoy ny Soratra Masina:
“ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary « ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo »
Noho izany dia voavela ny helokareo noho ny Anarany Masina, miderà ny Tompo.
“Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izaay tsy isain’I Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny .”Amen
- Hira FFPM 141 2,5 “Lasa ilay tahotrao”
- Fanekem-pinoana (laharana fahatelo)
- Raharaham-piangonana
- Fanatitra
- Hira Chorale na FFPM 310 “Misy maro ao an-tsaha mitaraina”
- Vavaka fanolorana ny Rakitra : Hira FFPM 275 1,2,3 “Raisonao ry Tompo Soa, ny fanatitray izao”
- Fankalazana ny tenin’Andriamanitra :
- Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny Tanora (Hiran’ny Sekoly Alahady)
Hira FFPM 808 “Eo an-tratranao Jesosy”
- Hira FFPM 190 1,2“Ry Fanahy Mpanazava, miandrandra”
- Vavaka fangatahana ny fanazavan’ny Fanahy Masina
- Vakiteny :
- Ohabolana : 14 :22-27
- Lioka 18 : 18-30
- II Korintiana 9 :6-15
- Hira FF 39 1,2 « Ray ô! mba faniriako »
- Toriteny
Hira : Chorale
- Vavaka Fangatahana faranana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo
- Asa vavolombelona
- FAMARANANA
Hira FFPM 545 « Endrey izany hafaliana »
Hafatra
Tso-drano : Nomery 6 : 24 – 26
Vavaka mangina
HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
………………………………………………………………….
HAFATRA
Ry havana malala ao amin’ny Tompo,
Ampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
Ny aumônerie FJKM dia faly mamangy ny isam-piangonana amin’ny alalan’izao hafatra izao. Miarahaba ny FJKM afaka manantanteraka sy miatrika ny SYNODA LEHIBE FAHA-19 izay tanterahina any SAMBAVA amin’izao fotoana izao. Ny Fanahy Masina anie hanolo-tsaina sy homba ireo solontenan’ny fiangonana any mba ahalavorarian’izany fivorian’izany an-tsakany sy an-davany ary hisehoan’ny Voninahitr’Andriamanitra.
Ny aumônerie FJKM dia mampahery ny fiangonana rehetra sy ny kristiana ao aminy noho ity valan’aretina COVID 19 ity izay mbola tsy lefy mandraka ankehitriny. Nanomboka ny 01 Mey 2021 dia nivelatra ary afaka namangy ireo toerana rehetra nandray ireo marary ny Covid 19 isika. Isaorana ireo mpitandrina sy mpiandry izay namaly ny antson’ny Aumônerie hanatevin-daharana ny famangiana sy fampaherezana natao na ny teto Antananarivo renivohitra izany na ireo tany amin’ny isaky ny Synodamparitany. Isaorana manokana ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM, ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana izay nitarika ireo mpisehatra tamin’izany fanompoana izany. Hatramin’ny faran’ny volana Jona 2021 lasa teo, raha ny teto anivon’ny fandrindrana nasionaly dia miisa 171 ny fitsidihana vita, ka marary 4210, mpanaraka marary 2435, mpiasan’ny fahasalamana 1648 no nampaherezina sy notroina am-bavaka, nomena trakta misy tenin’Andriamanitra avy amina mpitandrina maro. Nandritra izay fotoana izay, ireo mpitandrina sy mpiandry 49 izay nanoina ny antso dia niasa tamin’ireo toerana 25 nandray ny marary, CTC, HOPITALY, HOTEL HOPITAL. Raha atambatra izany dia in-331 ireo mpitandrina no namangy ary in- 245 kosa ny mpiandry. Mitaona antsika ry havana, hanamafy hatrany ny vavaka sy ny fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra mba hiorenantsika tokoa ao amin’i Jesoa Kristy fa «…na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika. » Romana 8 : 39.
Ny fihaonamben’ ny Aumônerie dia hotanterahina ny 24-27 Oktobra 2021 any Antsirabe. Ampitaina amintsika aoriana ny fandaminana momba izany, ary mangataka amin’ny Tompo isika hialoha lalana amin’ny fanomanana rehetra.
Ry havana, isaka ny Alahady fahatelo amin’ny volana Aogositra toy izao no fotoana izay natokantsika hitrotroana am-bavaka sy hanohanana ny asan’ny Aumônerie FJKM. Raisinay am-pitiavana ny fanohanana amin’ny endriny rehetra azon’ny fiangonana atao. Ampirisihina ny isam-piangonana amin’ny fanantanterahana ny tetik’Asa A-Z. Hery lehibe ho an’ny Aumônerie tokoa izany ka isaorantsika. Ny rakitra vitantsika dia azo aterina mivantana aty amin’ny Aumônerie Foibe, na arotsaka amin’ny Compte Bancaire.
« miorena tsara, aza miova » 1 Kor 15 :58
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
Ny Filohan’ny Komity Foibe Aumônerie, Ny Mpandrindra Nasionaly,
RALAMBOMAHAY Hendrininosy, Mpitandrina RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera, Mpitandrina
……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..
IREO SYNODAMPARITANY SY FITANDREMANA
nandrotsaka RAKITRA ALAHADIN’NY AUMÔNERIE 2020
SP | FITANDREMANA | Vola (Ar) / Zavatra |
SP AFOVOANY ANDREFANA (01) | ||
1 | Marianina Hermona | 22 600,00 |
1 | Antaniimarina Fiderana | 7 800,00 |
SP ALAOTRA CHROME (03) | ||
3 | Faneva Famonjena Ambohipeno | 8 000,00 |
3 | Karmela Ambohitrarivo | 27 600,00 |
3 | Moria Antsakoana | 8 500,00 |
3 | Ziona Fanantenana | 5 200,00 |
SP AMORON’I MANIA AMBOSITRA (06) | ||
6 | Imerina | 10 200,00 |
6 | Manirisoa Salema | 4 200,00 |
6 | Tsarasaotra | 2 000,00 |
SP AMBOVOMBE ATSIMO KRISTY RANOVELONA(07) | ||
7 | Salema Vaovao Fort Dauphin | 82 400,00 |
SP ANTANANARIVO ANDREFANA (10) | ||
10 | Ambatomena | 103 400,00 |
10 | Anosizato Hebrona | Vary 02 gony |
10 | Amparibe Famonjena | 50 000,00 |
10 | Salema Vaovao | 20 000,00 |
10 | Ambohijafy Fanantenana | 40 000,00 |
10 | Ambohibao Antehiroka | 20 000,00 |
10 | Soavimasoandro Fahazavana | 100 000,00 |
10 | FJKM Soanierana Firaisana | 30 000,00 |
10 | Ambohijatovo Fitiavana | 50 000,00 |
10 | Aumônerie SPAA 10 | 263 100,00 |
SP ANTANANARIVO ATSIMO (11) | ||
11 | Ifarihy Famonjena | 20 000,00 |
11 | Jack Raymond mivady, Tangaina F, | 10 000,00 |
11 | Fiadanana Martiora | 23 700,00 |
11 | Ambohijanaka Gara Fitiavana | 15 000,00 |
11 | Ankadimbahoaka | 50 000,00 |
SP ANTANANARIVO ATSINANANA (12) | ||
12 | Betafo vavolombelona Ambohimangakely | 35 200,00 |
12 | Ambatoroka Finoana | 31 400,00 |
12 | Imerinkasinina | 45 000,00 |
12 | Ambohimiandra | 129 300,00 |
12 | Ambatolampy Fieferana | 15 000,00 |
12 | Isoavinandriana Fihavaozana | 10 000,00 |
12 | Andrainarivo Fahasoavana | 132 000,00 |
12 | Anonimasina Ziona | 110 700,00 |
12 | FJKM Ambavahaditokana Fanilon’i Kristy | 37 500,00 |
SP | FITANDREMANA | Vola (Ar) |
SP ARIVONIMAMO VAOVAO (13) | ||
13 | Ziona F, Imerintsiatosika | 142 000,00 |
13 | Ampamoa | 8 800,00 |
13 | Madera Sakaizan’iKristy | 4 200,00 |
SA ATSIMON’IARIVO MIRAY (15) | ||
15 | AmpangabeFamonjena | 22 500,00 |
15 | AlatsinainyBakaro | 48 500,00 |
SA IARIVO AVARADRANO (19) | ||
19 | 100 000,00 | |
19 | Analamahitsy | 20 000,00 |
19 | Ambohitrinimanga | 20 000,00 |
19 | Analamahitsy | 100 000,00 |
SP BEMARAHA (21) | ||
21 | Betela Vaovao Maintirano | 72 300,00 |
SP MANANJARY PANGALANA (23) | ||
23 | SP Mananjary Pangalana | 65 200,00 |
SP MATSIATRASOA (25) | ||
25 | Fehizoro Mampiray | 15 000,00 |
SP MIARINARIVO FAHAZAVANA (27) | ||
27 | Ankotrabe | 3 800,00 |
27 | Ambohimirary | 6 000,00 |
27 | Manjakatompo | 14 900,00 |
27 | Sanganoro Fahazavana | 19 300,00 |
SP MANDRINDRANO MPIAMBINA SOAVINANDRIANA ITASY (29) | ||
29 | Hermona Soavinandriana Itasy | 100 000,00 |
SP TOAMASINA VAVAHADIN’NY FILAZANTSARA (31) | ||
31 | BetelaTanambao V Toamasina | 354 400,00 |
31 | Tranovato Fitiavana | 100 000,00 |
31 | Zoara Famonjena Ankirihiry | 100 000,00 |
31 | Manareza Vavahady | 70 000,00 |
SP FAHAZAVAN’ATSIMO ANDREFANA (36) | ||
36 | PE Bemanonga | 6 700,00 |
SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38) | ||
38 | Manjakatompo | 6 100,00 |
SAMIHAFA | ||
Seminera Ambatobevanja | 16 300,00 | |
ANDRIAMAMPIARIMANANA Germain Mianakavy | 10 000,00 |
Raha misy fanamarihana dia afaka miantso ny 034 17 030 22 isika. Hanehoanay fialantsiny mialoha etoana raha sanatria misy latsaka tao anatin’ny tatitra kanefa nandrotsaka Rakitra Alahadin’ny Aumônerie 2020. Marihina fa ny rakitra voaray nanomboka ny 11 Aogositra 2021 ka hatramin’ny 07 Jolay 2021 no voarakitra ato.