AFiFaB / Fanambarana

FANAMBARANA OFISIALY

Izahay eto anivon’ ny AFiFaB- FJKM (Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-Baovao),izay nomen’ny Foibe FJKM andraikitra hitantana ny pejy sy ny vondrona an’ny FJKM dia mamoaka izao fanambarana manaraka izao :

Ireto ireo pejy sy vondrona tantanan’ny AFiFaB FJKM ka andraikitry ny AFiFaB no misahana izany

1-Seraseram-pifandraisana FJKM

2-FJKM Foibe- Fiangonan’ I Jesoa Kristy

eto Madagasikara

3-GAZETY MARTURIA VAVOLOMBELONA

4-TRANONKALA FJKM (Site web FJKM)

5-Vontosy Filazantsara i Madagasikar

6-Radio Fahazavana Manerantany

7-Onjampeo Fahazavana Manerantan

8-F.T. V

Manamafy izahay  fa ireto kaonty sy vondrona manaraka ireto dia TSY TANTANAN’NY AFiFaB – FJKM ary tsy an’ny Foibe FJKM  na dia mampiasa sary famantarana (logo) sy anaran’ny FJKM aza izy ireo:

-FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA – FJKM (ofisialy)

-Fiangonan’i Jesoa Kristy  Eto Madagascar- FJKM

-MOFONAINA (Andalan-tsoratra Masina isan’andro araka ny lohahevitra FJKM)

Ho fifanajana eo amintsika rehetra dia tianay koa ny milaza izao manaraka izao : Ireo mampiasa ny vokatra na ny sanganasa tsy nahazoana alalana an’ny FJKM ihany koa, ho fahazoam-bola dia ampitandremana etoana ny rehetra ary ampitandremana indrindra ny mpisehatra amin’izany.

 « Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana »    I Kor 14 : 33

Natao izao fanambarana izao ho fampahafantarana sy fampitandremana antsika rehetra.

Ny AFiFaB- FJKM  (Fifandraisana FJKM)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV