Krismasy an-tsehatra 21
Radio Fahazavana
Tontosa ny Krismasy an-tsehatra 2020
Lanonana mahafinaritra no namaranan’ny teo anivon’ny Radio Fahazavana ny volana Janoary 2021. Mba ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo araka ny teny filamatra dia nanatanteraka fifaninanana hira Krismasy ny radio fahazavana. Ny fifaninanana izay nampitondraina ny Lohateny hoe « KRISMASY AN-TSEHATRA« . Ny faha 28 Desambra 2021 ka hatramin’ny 08 Janoary teo ny fanateran’ireo mpandray anjara ny sanganasany. Nalefa nohainoina sy finidin’ny mpihaino nandritra ny andron’ny 11 hatramin’ny 20 Janoary. Maro ireo nandray anjara ary nizara ho sokajy telo dia ny an-olon-tokana sy ny tarika ary ny antoko mpihira. Samy sangany eo amin’ny sehatry ny mozika avokoa ireo mpandray anjara, toy ny papango lahy anaty katsaka ka izay mivoaka iray babany avokoa. Na izany aza anefa dia nisy ihany ireo nisongadina.
Ireo nahazo ny voalohany isan-tsokajy no omena antsika eto: Teo amin’ny Sokajy olon-tokana dia ny « RENESO AMIN’NY FANAHY », ny tarika kosa nahitana ny « TARIKA TENY SY ASA » ary ny « chorale STK ANDRAISORO ».
Mitovy avokoa ny fanomezana hoan’ny sokajy rehetra toy ny ampli-bafle sy micro, fandefasana ny hira sangan’asa 3 ( matraquage) ao anatin’ny iray volana, fandraisam-peo sy mixage hira telo maimaim-poana avy amin’ny MAXON STUDIO. Ny alahady 31 Janoary 2021 lasa teo ny famaranana sy fanolorana fanomezana hoan’ireo tafakatra tamin’ny dingan’ny famaranana. Krismasy an-tsehatra andiany voaloany izao tontosa izao. Ny mpankafy sy ny Mpihaino tonga nanotrona ny lanonana, dia samy maniry ny hitohizan’ny hetsika toy izao.
Ryja Kely