FFKM 40 Taona

FIOMBONAN ‘NY FIANGONANA  KRISTIANA ETO  MADAGASIKARA (FFKM) 40 TAONA (1980-2020)

Notanterahana ny Alahady  29 Novambra 2020 tao amin’ny Eglizy Katolika Romana Saint François Xavier Antanimena ny Fanompoampivavahana  lehibe , anatin’ny fanamarihana ny faha- 40 taona nijoroan’ny FFKM teto  amin’ny firenena  .

Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan’ny Antenimieran-doholona  Andriamatoa RAKOTOVAO Rivo ;  ny Solotenan-dRamatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena ,ny Député RAZAFITSIANDRAOFA Brunel  ; ny Filohan’ny HCC , RAKOTONARIVO Thierry ary ireo olo-manakaja maro Sivily sy Miaramila eto amin’ny firenena .

Nitarika ny fotoana ny solotenan’ny EKAR . Namaky ny teny avy amin’ny Soratra masina , ny Pastora RAKOTOZAFY Denis , Filohan’ny FLM .Nanao ny Ranombavaka  Monseigneur Samoela Jaona RANARIVELO , Filohan ‘ny EEM.Nitondra ny Hafatry ny Tenin’Andriamanitra Reverend Docteur IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina  (FJKM ) .

Hafatra :

 «mifanaraha ianareo rehetra , ary aza mifanao ankolafiny , aoka hiray saina sy hevitra ianareo ka hivondrona tsara » 1 Korintiana 1.10b . Antso ho an’ny vahoaka kristiana mba hivondrona , hiray hevitra sy hiray saina  ,tsy hisaratsaraka na hitsitokotoko . Kristy no ivo sy ankatoavina amin’ny fanapahankevitra tsy mitovy  ka izay tiany no ekena . Nanakoako tokoa ny firedonana ny Hira fanevan’ny faha-40 Taona  « Andriamanitra , lay Telo zay Iray : Ray ,Zanaka, Fanahy no tena mampiray »nandritra ny Fanompoampivavahana noredonin’ny Antoko Mpihira SETA ,miisa anjatony .

Fitenenana sy vaovao :

Fantatra tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Filohan’ny FFKM amperinasa ankehitriny , ny Monseigneur Odon Marie Arsene RAZANAKOLONA (EKAR ) , fa hisokatra ny Volana Febroary 2021 ny Ivom-mPampianarana Ambony momba ny Ekiomenika (IPAE) izay hanentanana ny mpitondra fivavahana   ao anatin’ny FFKM  mba  hisoratra anarana ,  hanatevim-pahalalana  ao  . Ny tanjona amin’izao fotoam-panamarihana ny faha- 40 taona izao dia ny fananganana ny onjampeo FFKM ,sy  fameloman-tsoratra ireo Sampanasa  efa mijoro  eo anivon’ny FFKM (SEVKRI, SEFAMP,SEFA,SETO,SEFIP, SETA..) . Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Site  web/AFIFAB FOIBE

…………………………………………………………………………………………………………………………

Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM)

Fitambaran’ireo Fiangonana zokiny efatra ara-tantara eto Madagasikara, ao anatin’izany ny :

-ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM

 -ny Eglizy Katolika Apostolika Romana na EKAR

-ny Loterana Malagasy na FLM

-ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM).

Ny taona 1980 no niorenany ary niainga tamin’ny Tenin’Andriamanitra manao hoe : « mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy », ary talohan’izay ny hoe : « Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra »Jaona 17 : 2 1 (DIEM) heverina fa ny fanatanterahana izany no antoky ny fananganana ny FFKM . Efa nisy tamin’ny taona 1948 ny « Conseil Œcuménique des Eglises  du monde » . Ny tanjona tamin’izany ny fananganana ny Ekiominisma eto Madagasikara. Misy araka izany ny rafitra eo anivon’ny FFKM, toy ny fivorian’ny Zaikabe na « Assemblée générale » izay tanterahana isaky ny efatra taona, misy koa ny Komity foibe mivory isan-taona , ny Birao Foibe, izay misy solontena roa isaky ny fiangonana (Mpitondra fivavahana sy Laika).

Ahitana sampanasa valo ao anatin’ny FFKM : Ny Sampanasa Ekiominika momban’ny Fampianarana (SEFA), Sampanasa Ekiominika momba ny fampitam-baovao (SEFAB),Sampanasa Ekiominika momba ny fampandrosoana (SEFamP), Sampanasa Ekiomenika momba ny Fiainam-Pirenena (SEFiP) , Sampanasa Ekiominika momba ny Teolojia (SET), Sampanasa Ekiominika momba ny Tanora (SETa), Sampanasa Ekiominika momban’ny toeram-panofanana Teolojia (SETO) ary ny Sampanasa Ekiominika ny Vehivavy Kristiana (SeVKri). Manana ny Toniany ny FFKM, izay mpitondra fivavahana, izy no mandrindra ny fifandraisana amin’ireo sampanasa ireo sy mikarakara ny fifandraisana amin’ny FFKM faritany sy FFKM firaisana ary FFKM fototra.

 Tanjona noho ny faha-40 taona

Fananganana ny Onjam-peo FFKM. Araka ny maha-firaisam-piangonana nyFFKM dia misy ny zavatra iombonana, toy ny batisa izay tsy azo averina intsony raha toa ka efa vita tamin’ny Fiangonana iray ao anatin’ny FFKM, eo koa ny fampianarana ny Ekiominisma eto Madagasikara; manana ny hira itambarany ao anatin’ny fihirana« Miara-mizotra ».

Araka ny nambaran’ny Filohan’ny Komity fankalazana ny faha-40 taonan’ny FFKM, Andriamatoa Bien Aimé RANDRIANANTENAINA, dia an’ny mpino Kristiana rehetra ny FFKM, fa tsy an’olona voafetra akory, ka aoka samy ho voakasik’io faha-40 taona io avokoa, ary Andriamanitra no fahefana faratampon’ny FFKM ao amin’izany.

Ny fankalazana ny faha – 40 taonan’ny FFKM dia hotohizana hatramin’ny taona 2021 ary ho faranana amin’ny Zaikabe, noho ny zava-misy teto amin’ny firenena raha tokony honifarana tamin’ity taona ity.

Lahatriniavo RANDRIAMANANTENA

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV