Andro Fiaraha-Mivavaka Erantany ( AFME).
FANASANA.
Ny Birao Nasionalin’ny Vehivavy Kristiana Mpiara-Mivavaka dia faly manasa anareo handray anjara amin’ny Fanompoampivavahana fankalazana ny « Andro Fiaraha-mivavaky ny vehivavy eran-tany » .
Izany dia hatao ny :
–Zoma 03 Martsa 2017 ao amin’ny FLM Ambatovinaky amin’ny 09 ora maraina – 04ora hariva
-Sabotsy 04 Martsa 2017 ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga amin’ny 09 ora maraina -12 ora atoandro , izay hanarahana ny LITORJY nomanin’ ireo vehivavy any PHILIPPINES araka ny lohahevitra hoe :
« Manao izay tsy rariny aminao ve aho ?
Tongava hiara-hiombompo amam-panahy amin’izany .
Misaotra tompoko