FMBM / 185 Taona

FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY

« Ny Tenin’Andriamanitra, Sakafo mahavelona» Société Biblique Malagasy Malagasy Bible Society II E 21 A Ter, Immeuble ECE Ampasampito Antananarivo 101 – MADAGASIKARA – B.P. 922 E-mail: fmbm@biblesociety-malagasy.org Tél. 033 11 251 35 / 032 07 251 35 www.malagasy.bible 

21 jona 1835 – 21 jona 2020,

185 taona ny Baibolintsika 

Mitsingerina ny Alahady 21 jona 2020 ho avy izao ny faha 185 taona nahavitana printy voalohany ny Baiboly Malagasy. Manoloana ny fijanonana any an-tokantrano dia fankalazana iaraha-miasa akaiky amin’ireo haino aman-jery no hanamarihana ity fotoana ity. Ny 21 jona 2020 amin’ny 3 ora tolakandro dia hisy ny fandaharana manokana ho zaraina amin’ny pejy Facebook “Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy” araka ny lohahevitra hoe “Ny Tenin’Andriamanitra, Sakafo Mahavelona”, ary iombonana amin’ireo solontena eo anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Malagasy (FFKM), Fiombonanan’ny Fiangonana Evanjelika ary ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) izany. Misy ihany koa ny fampitana izany amin’ny haino aman-jery nasionaly ny 21 jona 2020 amin’ny 9 ora maraina. 

Ankoatra ny fotoam-bavaka dia misy ny hetsika “Baiboly 185” izay natao hizarana Baiboly 185 isa. Izay mila io Baiboly io dia manoratra taratasy na mandefa horonantsary na horonam-peo manazava hoe : “Nahoana aho no mila io Baiboly io?”. Alefa paositra amin’ny “Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy, B.P. 922 – (101) Antananarivo” izany na aterina mivantana eny amin’ny foiben’ny FMBM Ampasampito, Immeuble ECE, na alefa mailaka amin’ny fmbm@biblesociety-malagasy.org arahana anarana feno, adiresy mazava ary laharana finday. Marihana fa ireo mandray anjara dia mangataka ny Baiboly mba ho an’ny tenany fa tsy afaka mangataka amin’ny toeran’olon-kafa. 

Tenin’Andriamanitra, Sakafo Mahavelona”

Io no lohahevitra iorenan’ny fankalazana ary tsiahivina sy ampirisihana indrindra ao anatin’izany ny fiainana sy fivelomana tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka mirehareha amin’ny fanananantsika ny Baiboly amin’ny fitenintsika isika Malagasy satria anisany Baiboly zokiny indrindra aty Afrika ny Baibolintsika. Miavaka ny tantaran’ny Baiboly Malagasy amin’ny fifamatorany amin’ny tantaran’ny firenena satria boky nentina nampianarana sy nanabeazana ny Baiboly teto amintsika. Heverina ho vakoka sarobidy ihany koa satria mitahiry ny harena sy ny fivoaran’ny tenim- pirenentsika ary azo tarafina amin’ireo fanitsiana samihafa natao tamin’ny Baiboly izany. Fanamby ho an’ny asa fampielezana ny Baiboly ny fandikana azy amin’ny fiteny akaikin’ny fon’ny olona hatrany ka izany no mitaona ho amin’ny fandikana ny Baiboly amin’ny fitenin’ny faritra 22 eto Madagasikara. 

(version française)

Le dimanche 21 juin 2020, nous célèbrerons les 185 ans de la première Bible Malagasy. Pour marquer cet événement, une émission spéciale intitulée “Ny Tenin’Andriamanitra, Sakafo Mahavelona” (La parole de Dieu, parole vivifiante) a été élaborée afin d’unir en coeur et en prière tous les chrétiens Malagasy où qu’ils soient. Des partenariats avec les médias audiovisuels ont été engagés pour sa transmission dans tout le pays. L’émission verra l’intervention des représentants des différentes structures chrétiennes membres de la Société Biblique Malagasy (SBM) – Fikambanana Mamapiely Baiboly Malagasy (FMBM) – dont la FFKM, la Fédération des Eglises Evangéliques et le Président du Conseil d’Administration de la FMBM. 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV