FFPM / Filoha vaovao

Famindram-pitantanana

Ny Alahady 5 janoary 2020 tolakandro teo, tao amin’ny FLM Ambatovinaky no nanaovana ny fanompoam-pivavahana ho famindram-pitarihana, teo amin’ireo Filoham-piangonana mirahalahy dia Andriamatoa Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, sy ny Pastora Reverand Dr. RAKOTONIRINA Davida.

Toy ny teo aloha dia hiantsoroka andraikitra telo sosona ihany koa ny Filoha vaovao, Pastora Reverand Dr. RAKOTONIRINA Davida, ankoatry ny maha Filohan’ny FLM ny tenany dia izy ihany koa no Filoha mpitarika ny FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara)

Ny Alahady, 19 janoary 2020 izao ihany koa ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely amin’ny 3 ora tolakandro, no hanaovana ny famindram-pitarihana amin’ny maha Filohan’ny FFKM.  (Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara) , izay hiantsoana ny Kristiana rehetra tsy ankanavaka ho tonga amin’izany, indrindra fa ireo tomponandraikitra eto anivon’ny firenena.

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV