Hafatry ny Filoha /Jan 2020.
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Ka mba hampirindra izany,
ny fiofanana nomena
tamin’ny teny sy ny boky,
aza avalona any am-bata.
Fa saintsaino, ivereno,
Dia aza avela raha tsy tonga
Tetikasa maty paika
Irosoana mba hatao.
Ary rehefa tena atao
Ny asa tsara nokasaina,
dia tohizo fa aza miato
eny an-tenantenan-dalana.
Akao lesona ny lasa
Hoenti-manatsara hatrany.
Raha sendra tojo sakan-dala-
nahasembana ny dia,
dia aza mihemotra, sakaiza,
fa sikino ny herim-po,
tohano vavaka ny asa,
dia mandrosoa aloha kokoa!
Midadasika ny saha
Ka tsy vita indray mandeha,
ary na dia ny efa vita
aza mbola ilana ihany
hiverenana hasaina
ho tany lonaka tokoa!
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO AMMI