FFKM/ 40T

FIOMBONAN’NY FIANGONANA KRISTIANA ETO MADAGASIKARA (FFKM)


MANKALAZA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY FAHA 40 TAONA NIJOROANY


Anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 40 taona ny eo anivon’ny FFKM ankehitriny. Ny Zoma 23 Aogositra teo no notanterahana tetsy amin’ny EKAR Md François Xavier Antanimena ny Fanompoam-pivavahana fanokafana ny taom-pankalazana.

Ireo filohan’ny Fiangonana efatra mivondrona ao anatin’ity FFKM ity no nifarimbona nanatontosa ny fanompoam-pivavahana. Ny Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène (EKAR) no nitarika, nitory ny Tenin’Andriamanitra ny Pastora Dr RAKOTONIRINA David(FLM), nanao ny vakiteny ny Mgr RANARIVELO Samoela Jaona (EEM), ary nitondra ny ranombavaka Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina (FJKM). Ny teny faneva izay hita ao amin’ny 1KOR 1:10 no nakana ny toriteny ka nanasongadinana fa ilaina ny fivondronana sy firaisan-tsaina mba hitomboana sy ahazoana fitahiana hoan’ny firenena. Mametraka fanantenana amin’ny FFKM ny Malagasy rehefa avy namakivaky ny 40 taona lasa ka hibanjina ny 40 taona ho avy.


Nisy ny lahateny nifandimbiasana ka nivoitra tamin’izany araka ny voalazan’Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina sady Filohan’ny FFKM rahateo fa natao ny fiombonana mba ho hery mampiray ny Fiangonana amin’izao 40 taona manaraka izao. Atoa RATEFIARIVONY
Romuld Filohan’ny Komity faha 40 taona kosa no nandahatra ireo fandaharam-potoana izay misokajy ho Fanompoam-pivavahana, Fikaonan-doha, Fifaninanana hira faneva sy sary famantarana, fampirantiana maharitra, Lalao ara-panatanjahantena, fanoratana sy famoahana
boky tantaran’ny FFKM ary ny fambolen-kazo iombonana.

Miisa 12 no mandrafitra ny kômity hiara-hisalahy amin’izao fankalazana izao. Nandritra ny fanompoam-pivavahana dia nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo noheverina ho nahavita be tao amin’ny FFKM.

Ety am-pamaranana dia maniry ny Fiombonanm-po amam-panahy hoantsika ary “Aoka hiray saina sy hevitra ianareo ka hivondrona tsara” 1KOR 1,10 Diem.

RaMahery

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV