SEFALA/ Fiofan.Mpitoriteny
FIOFANANA ho anâny MPITORITENY
Ny SEFALA FOIBE FJKM dia faly mampandre sy miantso ireo MPITORITENY rehetra ato anatinâny sahanâny FJKM, izay nivoaka avy tao aminâny SEKOLY FANOMANA LAIKA FJKM ka manana Diplaoma Mpitoriteny na Mpiandry na Katekista . Asaina ireo rehetra ireo mba ho tonga hamonjy ny fanofanana voalohany taorianâny nahavitanao fianarana no sady hanavaozana indray ny fomba fitorian-teny ato anivonâny sahanâny FJKM.
Ny Fiofanana dia hatao ny Alarobia 4 Septambra sy ny Alakamisy 5 Septambra 2019 ho avy izao, izay hotanterahina aminâny Seha-panofanana miisa sivy (09), izay notsinjaraina toy izao :
Ă Ny SP 24 no mandray ny SP 03-05-12.
Ă Ny SP. 04 no mandray ny SP : 06-07-14- 23-25-33
Ă Ny SP 19 no mandray ny SP 22-35
Ă Ny SP 30 no mandray ny SP 09-17-18-20-26
Ă Ny SP 34 no mandray ny SP 10-13-27-29
Ă Ny SP 31. no mandray ny SP 02-32 izay atao ny 11-12 Septambra 2019.
Ă Ny SP 38. no mandray ny SP 01-08-11-15 izay atao ny 03- 04 oktobra 2019
Ă Ny SP 21 BEMARAHA dia hatao ny 29-30 Oktobra 2019 ao Maintirano
 Ireto Synodam-Paritany manaraka ireto kosa dia nasiana fandaminana manokana noho ny maha toerana mitokana sady mifanalavitra ny toerana misy ireo kristiana ao aminy dia ny any aminâny SP MIRAY FARITRA ANTOGIL (28) sy ny SP AVARATRA ANTSINANANA (16) . Koa aoka ny Mpitoriteny aminâireo faritra ireo mba hanatona ny President Synodal aminâny toerana izay misy azy avy mba hahalalana ny andinindininy.
Aoka hiomana ny mpizaika fa hisy Boky fiofanana sy Badge sy fanamiana ary lambahoany sy ny hafa ihany koa hamidy aminâio fotoana io.
Marihina fa ny fitaovana na ny zavatra amidy aminâio fotoana io dia tsy maintsy hahazoana alalana avy aty aminâny FOIBE SEFALA avokoa.
Ny BIRAO SEFALA FOIBE FJKM