VKMM / AFME

WOMEN’S WORLD DAY OF PRAYER

Andro fiaraha-mivavaka eran-tany

ijoroan’ny vehivavy kristiana ho vavolombelona

Nandritra ny roa andro no nanatanterahana ny andro fiaraha-mivavaka eran-tany nokarakarain’ny vehivavy kristiana mpiara-mivavaka (VKMM). Fiombonam-bavaka tsy nanavahana anaram-piangonana no natao tao amin’ny FJKM Ambalavao Isotry ny Zoma 01 Martsa ary nofaranana tao amin’ny EEM Santa Stefana Anatihazo ny Sabotsy 02 Martsa 2019.

Nandritra izay famaranana izay no nilazan’ ny Filohan’ny FJKM Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, fa sarobidy ity fotoana ity satria ny vehivavy izay maro an’isa eran-tany no mijoro vavolombelon’ny hatsaran’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainany. Hafatra nampitainy tamin’io fotoana io koa ny vokatry ny fivorian’ny CWM natrehany tany Malawi ka nanaovany antso avo amin’ny vehivavy FJKM rehetra mba handray andraikitra mahakasika ny fiatrehan’ny fiangonana ny herisetra atao amin’ny vehivavy.

Firenena miisa 180 no miara-manamarika ity andro fiaraha-mivavaka eran-tany ity isan-taona isaky ny zoma voalohan’ny volana martsa. 62 taona izao ny nanamarihana izany ka tamin’ity 2019 ity dia niompana tamin’ny lohahevitra hoe: “Andeha fa efa vonona ny zavatra rehetra”, ary ny fandaharana nomanin’ireo vehivavy kristiana avy any Slovenia no niombonana nandritra ny fotoam-pivavahana rehetra natao naneran-tany. Hita ao, ohatra, ny fijoroana vavolombelona nataon-dRtoa Marjeta, zanaky ny vehivavy sloveniana mananontena iray, kanefa voailikilika tsy nahazo vatsim-pianarana satria kristiana ka lasa nitady asa tany Soisa. Rehefa nody an-tanindrazana anefa izy mivady dia namonjy ny fiangonana avy hatrany ary nilatsaka hiasa an-tsitrapo tao. Ity sary famantarana ity indray dia sanganasan-dRtoa Rezka Arnuš izay nanehoany ny fifandraisan’ny lohahevitra voalaza etsy ambony sy ny harena mampiavaka ny firenena sloveniana, toy ny voly voaloboka sy ny tontolo maitso midadasika iandrasana ondry ary ny fitafiana nentin-drazana.

Tamin’ny taona 2000 no nanamarika voalohany ny andro fiaraha-mivavaka eran-tany ny vehivavy any Slovenia, ka ity 2019 ity no natokana hitondrana am-bavaka manokana ny vehivavy sloveniana sady fotoana nahafantarana bebe kokoa an’i Slovenia. Anjaran’i Zimbabwe kosa indray ny amin’ny taona 2020.

Niry Rakoto, SF

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV