Alahadin’ny SAF/ FJKM 2019.
ALAHADY HITONDRANA AM-BAVAKA NY SAF/FJKM 17 Martsa 2019
FANDAHARANA IOMBONANA
Alahady 17 Martsa 2019
MANAMASINA FIAINANA HO ANâNY TOMPO

Feon-javamaneno fanombohana
Fiarahabana apostolika
FANATREHANA ANâANDRIAMANITRA
- Salamo 66 :1-4
« Mihobia ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra. MankalazĂ ny voninahitry ny Anarany .omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy . Lazao amin’Andriamanitra hoe : endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ny herinao no hikoizan’ny fahavalonao Anao.Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao , eny, hankalaza ny anaranao izy. »
Hira 16
vavaka fiderana sy fisaorana
TENINâANDRIAMANITRA
Hira 175
Fotoana ho anâny tanora sy ny ankizy
Vavaka fangatahana ny fanazavanâny Fanahy Masina
Soratra Masina
- Josoa 14: 6 – 15
- Matio 5:13 – 16
- I Tes 2: 1 – 12
Hira 205 :2,4
TORITENY
Vavaka setrinâny TeninâAndriamanitra sy fifonana
Hira 415 :2,3
Famelan-keloka :
- Isaia 44 :22
- Salamo 32 :1-2
âIzaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.â. Voavela ny helokareo noho ny AnaranâI Jesoa Kristy. MiderĂ ny Tompo.
âSambatra ny olona izay voavela ny helony, sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isainâI Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahinyâ. Amen
Hira 202
Fanekem-pinoana
Asa vavolombelona
Raharaham-piangonana
Rakitra
Fanolorana ny rakitra : Hira 446 : 2,3.
Hira Fanampiny 17
Vavaka fangatahana
Tsodrano
Aminâny Anaranâny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen
RAKITRA
| RAKITRA SALEMA VAOVAO 67 HA | 20 000 |
| RAKITRA AMBOASARY ATSIMO | 19 300 |
| RAKITRA BELAVABARY FAHARETANA | 13 000 |
| RAKITRA ANOSIZATO HEBRONA | 214 300 |
| RAKITRA ALAHADIN’NY SAF FJKM | 20 000 |
| RAKITRA FJKM ANKAZOMANGA | 10 000 |
| RAKITRA FJKM AMBOHIPOTSY | 226 300 |
| RAKITRA FJKM BETSIZARAINA | 40 900 |
| RAKITRA FJKM MANDROSOA AMBOHIJ… | 94 100 |
| RAKITRA FJKM BETELA MAROBIBY | 68 400 |
| RAKITRA FJKM ANONIMASINA ZIONA | 73 700 |
| RAKITRA FJKM ANDRAMAHAVOLA | 179 570 |
| RAKITRA FJKM AMBODIMITA | 52 900 |
| RAKITRA AMPARIHIVATO | 15 000 |
| RAKITRA VOHIDIALA | 10 000 |
| RAKITRA SOAMONINA FANAVAOZANA | 6 370 |
| RAKITRA ANDRANOVELONA FITIAVA… | 3 900 |
| RAKITRA ANTANETIBE MAROMBY | 2 010 |
| RAKITRA IARINARIVO | 7 000 |
| RAKITRA AMBATOMENA | 134 750 |
| RAKITRA TRANOVATO FARAVOHITRA | 803 000 |
| RAKITRA RANIVO MARITIORA LAZAI… | 42 700 |
| RAKITRA ALAHADIN’NY SAF | 17 220 |
| RAKITRA FJKM ANDOHATAPENAKA | 20 100 |
| RAKITRA FJKM AMBOHIMANDROSO | 43 000 |
| RAKITRA FJKM AMBALAVAO ISOTRY | 30 000 |
| RAKITRA FJKM ANTANETIBE FITIAV… | 10 800 |
| RAKITRA FJKM AMBOHIDROA ANTEHI… | 20 000 |
| RAKITRA FJKM ANTANIMAFY FAHAZA… | 13 100 |
| RAKITRA FJKM AMPARIBE FAMONJEN… | 50 000 |
| RAKITRA FJKM MAHITSY FEHIZORO | 15 000 |
| RAKITRA FJKM AMBOHITRINIBE FAH… | 29 000 |
| RAKITRA IMERINA IMADY | 10 600 |
| RAKITRA AMBALAMANAKANA | 4 000 |
| RAKITRA AMBOVOMBE | 10 000 |
| RAKITRA AMBAHOMBE | 1 800 |
| RAKITRA ANTANIMENA ANDREFANA | 360 400 |
| RAKITRA FJKM AMBOHIMANANDRAY | 20 000 |
| RAKITRA FJKM AMPERIFERY | 7 700 |
| RAKITRA FJKM AMBODIHADY VAOVAO | 20 000 |
| RAKITRA FJKM TRANOVATO AMBATON… | 100 000 |
| RAKITRA FJKM AMBOHIMIANDRA | 100 000 |
| RAKITRA ISOAVINA FIHAVAOZANA | 70 520 |
| RAKITRA FJKM MAHITSY FAMONJENA | 78 400 |
| RAKITRA AMBOASARY ATSIMO | 12 000 |
| RAKITRA FJKM SANGANORO | 19 050 |
| RAKITRA FJKM ANKOTROBE | 5 000 |
| RAKITRA TSARAZAZA FINOANA | 5 900 |
| RAKITRA SP AMBOVOMBE KRISTY RA… | 25 000 |
| RAKITRA AMBOHIJAFY FANANTENANA | 20 000 |
| RAKITRA ANKAVANDRA | 10 200 |
| RAKITRA AMBOHIMIRARY FAHARETAN… | 6 000 |
| RAKITRA FJKM FORT- DAUPHIN | 20 000 |
| RAKITRA AMBOHIJATOVO FITIAVANA | 50 000 |
| RAKITRA AMORON’I MANIA | 11 300 |
| RAKITRA FJKM ANDRAIKIBA | 13 500 |
| RAKITRA FJKM ANKIRIHIRY | 75 000 |
| RAKITRA FJKM TSIROANOMANDIDY | 180 000 |
| FJKM AMBOHIMANANDRAY | 82 400 |
HAFATRA
Ry Havana,
Misaotra anâAndriamanitra isika noho izao Alahadinâny SAF/FJKM izao.
Taom-pankalazana ity taona 2019 ity, satria mandia ny faha 45 taonany izao ny SAF/FJKM. Naorinâny Fiangonana FJKM taminâny taona 1974 izy, araka ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe Fahatelo tany Mahajanga ny taona 1972. Lohahevitra taminâizany ny hoe âVelona ho anâny hafaâ II Kor. 5.15. Teny filamatra entinâny SAF / FJKM mandraka ankehitriny kosa ny hoe âmitady ny mahasoa ny maro, mba hovonjena izyâ I Kor 10:33
Ankehitriny, mananika ny 60 taona ny fahaleovan-tenanâny firenena Malagasy izay iorenanâny Fiangonana FJKM kanefa iaraha-mahita ny fahantrana lalina manjo ny vahoaka sy ny fahasimbanâny fiaraha-monina ary ny fahapotehanâny tontolo iainana. Tsy ho tanisaina ireny.
Miantso mandrakariva ny Tompo; ary ny Fiangonana FJKM araka ny Foto-dalĂ na sy Fitsipika, dia « ny hijoro ho vavolombelonâi Jesoa Kristy eo aminâny fiaraha-monina. Izany no hanehoany ny maha fanasina azy sy maha fahazavana azy eo anivonâny voahary manontolo sy izao tontolo izao ».
Manana anjara lehibe ny Fiangonana eo aminâny fitondrana fiovana eo anivonâny fiaraha-monina ka hahatonga ny olombelona rehetra hanana ny fahafenoana sy ny fahamendrehana araka izay mety ho tratra, mifanaraka aminâny namoronanâAndriamanitra azy (Lioka 4 /18-19)
Koa manentana hatrany ny Kristiana FJKM, ny Fitandremana sy ny Synodamparitany hanome talenta hampivelatra hatrany ny asa fampandrosoana entinâny FJKM aminâny alĂ lanâny firotsahana mivantana eny anivonâny fiaraha-monina. Misy hatrany ny asa fampivoarana sy fampandrosoana azonâny Fiangonana tanterahana miaraka aminâny fiaraha-monina misy azy. Singanina aminâizany ny fampiofanana ilainâny mpamboly sy mpiompy madinika, ny ady aminâny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra ho anâny zaza latsaky ny 5 taona, ny fitaizana ara-pahasalamana, ny fanaovana tahiry iombonana ho fiharian-karena na âVOA MAMYâ, ny fahadiovana sy fidiovana ary fanadiovana, ny fambolen-kazo.snsâŠ
Fomba fiasa efa nosantarintsika izany, ary velarina hatrany hatrany sy hanaovana antso aminâizao Alahadinâny SAF/FJKM izao.
Toy izao no fomba fiasa :
- Mitarika sy manentana ary manohana aminâny fanofanana sy fizarana traikefa ny SAF/FJKM
- Omena lanja ny fiaraha-miasa aminâny ambaratonga samihafa eo anivonâny FJKM sy ireo Sampana sy Sampanâasa ary Asa, fa tsindriana manokana ny AFF sy ny SEFALA ka âfampiofanana miampitapitaâ no hatao
- Omena andraikitra sy hofanina koa ireo Mpilatsaka an-tsitrapo efa najoro (âVolontera FJKMâ) any aminâizay toerana efa misy azy ireny. Entanina ny Synodamparitany mbola tsy misy Volontera hifanome tĂ nana aminâny SAF/FJKM hananganana sy hanofanana azy ireny.
Aminâizao taom-pankalazana ny faha 45 taona nijoroanâny SAF/FJKM izao dia hisy hetsika maro hanamarihana izany. Koa manentana antsika Synodamparitany, Fitandremana aminâny fifanohanana..
Antsoina manokana ireo Fiangonana manana fanomezam-pahasoavana aminâny firotsahana aminâny asa soa sy fampandrosoana, ny fanĂ nana olona manana traikefa, ny tanjaka ara-bola; mba hahafoy hizara aminâny Fiangonana sy Synodamparitany aminâny Faritra sahirana, mba hifanampy ny hery hahazoana vokatra tsara sy malaky kokoa.
Hotanterahina ny faha 29 hatraminâny 31 Oktobra 2019 ny Komity Foibenâny SAF/FJKM. Mampahery antsika, ry Havana aminâny fanatanterahana ny iraky ny Tompo ary mitarika antsika hibanjina hatrany ny fahasoavana sy fahafenoana ao aminâi Jesoa Kristy, fa ao Aminy ihany no hanovozantsika ny hery mba âtsy ho menatra ho vavolombelonâny Tompoâ tokoa isika.
Ho voninahitrâAndriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina irery ihany.
Ny Filankevipitondrana SAF/FJKM
FANTARO NY SAF/FJKM
- NY FIFORONANY
- Ny Synoda Lehibe faha-III tany Mahajanga no nanapaka fa hatsangana ny SampanâAsa izay tĂ nana sy sandrinâny Fiangonana hiasa eny aminâny fiaraha-monina. Teny faneva taminâizany ny hoe â Fiangonana velona ho anâny hafaâ (II Kor 5:15).
- Ny volana aogositra 1974, taorianâny Synoda Lehibe faha- IV , no naorina ny âSampanâAsa momba Fampandrosoanaâ na «SAF / FJKM » . Teny faneva taminâizany ny hoe « Tazano ny lĂ lana , hetseho mafy ny herinao » Nah 2 : 2
Ireo fotokevitra nipoiranâny SAF / FJKM:
- âMiara-miasa aminâi Kristy aminâny fampandrosoana ny firenenaâ
- âFiangonana velona ho anâny hafaâ ary
- âTazĂ no ny lĂ lana, hetseho mafy ny herinaoâ.
IRAKA (Mission)
- Ny SAF/FJKM dia iraky ny Fiangonana hanehoany ny finoany eo aminâny sehatry ny fampivelarana ny fiarahamonina sy ny toekarena ary miasa ho aminâny ezaka rehetra ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny Olona manontolo.
VINA (Vision)
- âNy Olona, izay sady mpisehatra no ivonâny asa fampandrosoana dia maneho ny endrikâAndriamanitra ary miaina anaty fiaraha-monina mirindra sy milamina ary tomponâandraikitra
Ny SAF/FJKM dia Fikambanana tsy miankina aminâny Fanjakana (ONG) fehezinâny lalĂ na 96-030
- FOTOTRA ARA-TSORATRA MASINA
- NoharianâAndriamanitra tahaka ny endriny ny olombelona. Manana adidy hiady aminâizay rehetra manimba izany endrikâAndriamanitra izany ny Fiangonana aminâny alalanâny asa fampandrosoana tanterahany. (Gen.1/27)
- NoharianâAndriamanitra hitandrina sy hiasa ny zava-boahary ny olona. Anâ Andriamanitra ny tany sy izay rehetra eo aminy. Koa andraikitry ny Fiangonana araka izany ny mikajy sy mitantana izany mba ahatonga ny olombelona rehetra hisitraka izany. (Gen.2/15)
- Mitovy ny olona rehetra eo anatrehanâAndriamanitra. Tsy misy tombo sy hala. Koa ny fanomezam-pahasoavana nomena ny Fiangonana aminâny alalanâny
SAF/FJKM dia hampiasaina hanasoavana ny olona rehetra tsy misy ankanavaka. (Rom.10/12 )
- Fampianarana itarihanâi Jesoa Kristy ny Fiangonana ny hampanjaka ny fahamarinana sy Fitiavana. Izay Fitiavana izay no manery ny Fiangonana hihevitra ny Mpiara-belona ka tsy ho tia ny tenany ihany fa ho tia ny hafa koa mba ho vonjena izy.( IKor ;10/33)
- Ny olombelona feno no novonjenâAndriamanitra teo aminâny hazofijaliana. Jesoa Kristy mantsy dia sady nitory ny fiainana mandrakizay no nanasitrana ny marary sy nanafaka ny ampahoriana koa. Nanome hanina ny noana ary nampianatra sy nitarika ny olona ho aminâny fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Andraikitry ny olona mino ihany koa izany ny hanafaka ny namany,
Araka izany dia nisaloranâny SAF/FJKM ny Teny Faneva hoe âMitady ny mahasoa ny maroâ (I.Kor.10/33)
- IREO FANDAHARANASA IFANTOHANY
- FANJARIANA ARA-TSAKAFO
Nanomboka ny taona 1975
- Tanjona
Manana sakafo maharitra sy ampy ary ara-pahasalamana aminâny fotoana rehetra ilainy azy ny olona tsirairay tsy ankanavaka.
- RANO FISOTRO MADIO â FANADIOVANA â FIDIOVANA
Nanomboka ny taona 1986
- Tanjona
Misotro rano madio sy miaina lalandava ary tanteraka anaty tontolo madio ny olona tsirairay, indrindra ny zaza amam-behivavy.
- FAHASALAMANA
Nanomboka ny taona 1986.
- Tanjona
Fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka aminâny alalanâny fanaraha-maso ireo aretina mateti-pitranga, sy fanabeazana ara-pahasalamana.
Fitaizam-pahasalamana mitohy sy maharitra.
- TONTOLO IAINANA
Natomboka ny taona 1988.
- Tanjona
Fampihenana ny tsindry aminâny harena voajanahary.
- FITANTANANA NY TANDINDON-DOZA SY FIATREHANA NY LOZA VOAJANAHARY
Nanomboka ny taona 1990.
- Tanjona
Ampy ny fahaiza-manaonâny olona tsirairay, ny fiaraha-monina sy ny mpitondra fanjakana hitantana ny tandindon-doza sy hiatrika ny voka-dratsy haterany, ka hampaharitra ny asa fampandrosoana eny ifotony.
- VOLONTERA FJKM
Nanomboka ny taona 2014
- Tanjona
Hanampy ny fiarahamonina aminâny fiatrehana ny loza voajanahary mba hanalefaka ny fiantraikanâny loza.
Maherinâny 10000 ireo Volontera FJKM nahazo fiofanana , ary miparitaka sy miasa manerana ny Synodamparitany 13 eto Madagasikara.
- FIANGONANA MIROTSAKA
Nanomboka ny taona 2016
- Tanjona
Hampiroboroboana sy ny hampivelarana ny iraka feno nomena ny Fiangonana, izay mikendry indrindra ny :
- Fampandraisana andraikitra ny Fiangonana hitondra fanovana eo anivonâny fiaraha-monina aminâny alalanâny Teny sy ny fijoroana vavolombelona
- Fampiharana mivantana ny iraka ampanaovina ny Fiangonana aminâny alalanâny asa miaraka aminâny fiaraha-monina
- Fampiraisana ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ny fiaraha-monina aminâny alalanâny fitoriana ny filazantsara
- Fampandrosoana ny Fiangonana .
- FIVELARANA
Anisanâny Fikambanana Malagasy hany misehatra manerana ny Nosy ny SAF/FJKM, sady nisafidy ny hiasa aminâny sehatra marolafy (dĂ©veloppement intĂ©grĂ©). Nisedra sy Niaina ireo fiovana sy fivoarana nentinâny fanatontoloana ny SAF/FJKM ary nandalo zava-tsarotra maro samihafa.
Fa anisanâny nanampy teo aminâny fivelarana sy fanohizana ny asa notanterahina ny fanoloranâny FJKM ireo toerana sy fananana mba hahazoanâny SAF/FJKM mamita ny iraka nampanaovina azy.
- FOMBA FIASA
- Miara miasa aminâny fiarahamonina , fikambanana , sy ireo Vondronâolona Ifotony
- Miara miasa aminâny Fiangonana, sampana, sampanâasa ary asa sy ireo hery velona rehetra misy ao aminy
- Miara miasa ihany koa aminâireo mpiara miombonâantoka eto an-toerana sy avy any ivelany
- Miara-miasa aminâireo tambazotra mifandraika aminâny fotokevitra ijoroanâny SAF/FJKM.