Alahadin’ny Arsiva sy Tranombakoka FJKM 2019.
Hanamarika ny Alahadiny ny 17 Febroary izao
Misy ny andro Alahady iray isan-taona atokana ho an’ny Arsiva sy Tranombakoka FJKM. Amin’ity taona ity dia ny Alahady 17 Febroary 2019 no Alahadin’ny arsiva FJKM. Entina hanamarihana izany ny fanompoam-pivavahana ho fankalazana an’Andriamanitra izay hotanterahina eny amin’ny FJKM Ambavahadimitafo manomboka amin’ny 09 ora maraina.
Ny folakandro kosa dia hisy Rindran-kira Gadona Klasika ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga manomboka amin’ny 02 ora sy sasany. Asaina araka izany ny Mpitandrina sy ny Kristiana hiara-hifanotrona amin’izany fotoan-dehibe handritra ny tontolo andro izany, indrindra ireo tia ny tantara sy ny vakoka ary ny kolon-tsaina, ireo sakaizan’ny arsiva rehetra, ny antoko mpihira niara-niasa hatramin’izay.
Tsiahivina fa mankalaza ny faha-35 taonany ny Arsiva sy Tranombakoka FJKM. Koa aoka hifanohana sy hifampahery isika satria ny tsangambato amin’izany dia ny fananganana ny Mozea/FJKM.
RALISON Fara Fanja, Mpitandrina,
Talen’ny Arsiva sy Tranombakoka FJKM