BOOTCAMP Fampamokarana sy fampandrosoana
TANTSOROKA SY FANOFANANA PRATIKA MOMBA NY FANANGANANA ORINASA SY TETIKASA araka ny toetsaina Kristiana Kalvinista 2026: Antso ho an’ny Tanora
Ny Departemanta Fananana, Fampamokarana sy Fampandrosoana ary Sosialy (DFFFS – FJKM) dia hanatanteraka Bootcamp Fampandrosoana ho an’ny tanora ny 26–27–28 Desambra 2025 ao amin’ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy.
Mikendry ny hanampy ny tanora hanangana sy hampiroborobo ny tetikasa na orinasany manomboka amin’ny taona 2026 ity fiofanana ity. Hasongadina ao ny fampivelarana fahaiza-manao, ny fitantanana tetikasa ary ny toe-tsaina kristiana mamokatra araka ny 1 Kor. 15:58:
“Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.”
Raha oharina amin’ny tombotsoan’ny Mpiofana ho lasa mpandraharaha lehibe dia mirary ny fandraisana anjara.
70 000 Ar : Fiofanana sy sakafo antoandro.
90 000 Ar : Fiofanana + sakafo + trano fonenana
Antsoina isika Tanora izay te-handresy fahantrana manomboka amin’ny 2026 ho tonga. Misorata anarana mivantana: DFFFS/FJKM, Ifanomezantsoa, Porte 609, Rihana faha-6. Na amin’ny rohy ampitain-davitra.
Tanjona : Mitsangana tsara ny orinasanao amin’ny 2026
