Vehivavy mpitantana

Fahaiza-mitantana

NATERAKA HO « MANAGER » NY VEHIVAVY !

Misy teny hoe “tanana” (main) ao amin’ny manager, ary misy teny “menagère” koa. Akaiky ny vehivavy avokoa ireo teny roa ireo. Tsy dia izany ihany anefa, fa manana HERY 3 ny vehivavy mpitantana, hoy i Marion SENANT.

Hoatran’ny miteny izany fa, misy lahy sy vavy ve ny Haitantana? Raha tenenina amin’ny fomba hafa, misy ve ny “management masculin”, ary misy ny “management feminin”? Izany hoe, ny Haitantana amin’ny hoavy dia Haintanana vavy. Ireto ary ireo Hery 3 ananan’ny vehivavy mpitantana.

1.MIVANTANA

Sahin’ny vehivavy ny miteny mivantana ny olana ao anaty orinasa, rehefa am-pivoriana, raha lany andro manodidina mitady fomba hafa ny lehilahy. Heverin’ny lehilahy fa “famelezana” ankitsirano io fitenenana mivantana io. Mandositra olana ny lehilahy.

Izay toetran’ny vehivavy izay dia mamaha olana ambony latabatra, ary amin’ny fomba haingana tsy iandrasana fotoana. Efa simba sy lo ny toe-javatra vao tsy maintsy miditra hamaha olana ny lehilahy.

Mifandona ao anaty fitantanana ireo zavatra roa ireo, ary bantibantiana ho toetra ratsy ny mahitsy sy mivantana ananan’ny vehivavy. Izao fahasimban’ny fitantanana rehetra ataon’ny lehilahy izao anefa no vokany: tokantrano, fiarahamonina, firenena, Fiangonana. Tsy misy tsy potika izay rehefa io fitantanan’ny lehilahy io no natao.

2.MIARA-MIASA

Manana toetsaina natoraly tia fiarahamiasa ny vehivavy. Azo henoina ny firesaky ny lehilahy rehefa mitantana, fa “izaho, izaho” no fiteniny. Rehefa halalinina io toetran’ny lehilahy io, dia “mpandresy-resy” hatrany no vokatra mitranga. Tsy maintsy misy ny mivoaka mpandresy, ary misy ny resy. Izany no Haitantana mahazatra hatramin’ny fotoana ela.

 Ny vehivavy kosa dia “isika, isika” no fiteniny. Mitambatra ho azy mankany amin’ny vokatra izany, ka “mpandresy-mpandresy” no azon’ny rehetra. Tsy misy resy izany amin’ny Haitantana vavy, ary samy mahazo ny anjara fandreseny ny rehetra.

3.MANAKAIKY

Ny Haintantana manakaiky dia mirona amin’ny fihainoana ny hafa, ny fihetsehampony. Hita ao koa ny fahaizana manjohy (suivi) ny ekipa miara-miasa aminy, izay tsy mahazatra loatra ny Haintantana lahy.

Hita mahay mamaly ny fanontaniana “Nahoana” (pourquoi) kokoa ny lehilahy, tsy mahita hafatsy Tanjona sy Vina. Ny lalana andehanana manatratra izany dia tsy fantany. Ny vehivavy kosa dia mahay mamaly ny fanontaniana “Ahoana” (comment), izay manetsika ny zavatra rehetra eo an-tanana: vola, fitaovana, lalàna, ankoatra ny olona.

Andeha hanandrana tranga iray isika. Hiroso amin’ny Fampihavanana ny Malagasy isika. Ny lehilahy dia mahay mamaly ny “Nahoana isika no hampihavanina?”. Satria tia tena, miady tombontsoa, mifanavakavaka, mifankahala, sns. Ny vehivavy kosa dia mahay mamaly ny hoe “Ahoana no hanatanterahana ny Fampihavanana?” Jerena ny fototra mampihavana : teny iray no tenenin’ny Malagasy rehetra, koa inona no nampiady azy? Ohatra iray ihany iny. Ny olona tsy mifankahazo teny no mora miady, fa tsy izay mifankahazo akory.

A.Zaka, Mpitandrina

 

 

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 29. ANDRO NIAKARANA
Salamo 47, 1-9 | Jaona 14, 25-31 | Asan'ny Apostoly 1, 6-11

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17

| | 08. PENTEKOSTA - Sekoly FJKM
Ezekiela 39. 25-29 | Jaona 15, 26-27 | Asan'ny Apostoly 2, 14-21

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025