Tompo mahafinaritra i Jesoa
Mofonaina anio: Talata, faha 09 Jona 2026
Sal 150. 1-6 / Hira 6: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 6: 2
Matio 20,20 - 23
20 Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy. 21 Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao. 22 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany. 23 Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena.Tompo mahafinaritra i Jesoa
Ny mofonainantsika dia mampischo amintsika fa Tompo mahafinaritra i Jesoa, ary amin’ireto lafin-javatra telo ireto no hatakarana izany:
1. Mora hatonina Izy (and 20, 21)
Hoy ny tantara hoe « …nanatona an’i Jesoa ny renin’ny zanak’i Zebedio.… » Tsy ireo mpianatr’i Jesoa efa nifankazatra taminy no tonga nihaona sy nanantona an’i Jesoa fa ny reniny, ary izany indrindra no antony hilazana azy hoe « renin’ny zanak’i Zebedio » fa tsy ny anaran’ny mpianatra. Midika izany fa tena azon’ny rehetra atonina Izy, tsy mba manavaka na manome vahana karazan’olona manokana na hoe izay akaiky Azy ihany (Jao 6. 37). Koa inona moa no mampisalasala antsika tsy hanatona Azy?
2. Tsy manao ankinafinafina Izy (and 22)
« Tsy fantatrareo izay angahatahinareo…» hoy i Jesoa. Tsy nafenin’i Jesoa, indrindra rehefa nitodika tamin’izy roalahy mpianany Izy, fa tsy zava-mora loatra akory izany angatahin’izy ireo izany. Ny lalan’ny hazofijaliana mbola tsy maintsy lalovany sy ny fangirifiriana ary ny fiaretana miaraka amin’izany no tian’i Jesoa lazaina amin’ny hoe kapoaka efa hisotroako. Ao ambadik’izany dia izao, mila miomana sy mivonona amin’ny hazofijaliana.
3. Tsotra sy mahitsy Izy (and 23)
« Tsy Ahy ny hanome izany fa izay nanamboaran’ny raiko izany ihany no homena » hoy i Jesoa. Valin-teny tsotra sy mazava mihitsy no omen’i Jesoa eto. Zava-droa loha no ao ambadik’izany: voalohany dia izao, mankato ny rainy Izy ary manaiky izay fandaminany rahateo koa, ary faharoa kosa dia izao: ny mahamaika an’i Jesoa dia tsy ny toeram-boninahitra fa ny hoe: ahoana aloha no hahazoana famonjena!
Fanontaniana:
Hatraiza ny fahatsapanao ireo voalaza ireo?
Foibe Sampana Sekoly Alahady