Alarobia, faha 12 Novambra 2025

Sal 75,1-3 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.18

Ity Epistily ity dia manomana ny olona ny amin’ny fihavian’ny Tompo. Tena zavatra lehibe eo amin’ny fanompoan’ny tsirairay ny mahalala izay tsy maintsy hahatongavan’ny Mpamonjy indray. Aoka ho vonona isika rehetra fa:

    Mampianatra tsara ny mino ny Soratra Masina eto fa aza disoina amin’ny fiheveran’ny olona ny fiheveran’ Andriamanitra. Manana ny fotoany Izy, ary tsy anjarantsika no mamaritra izany fa tena fahefany manokana lainan’ny Fiangonana sy ny olona ao amin’ny Fiangonana ny mandrefy ny asa ataony amin’ny fotoanany, heveriny fa izy no tena mandamina izany. Eto anefa mampianatra mazava ny Soratra Masina fa an’ny Tompo ny fotoana. Koa aoka ny asany no banjinina ary aoka hampiasaina ho amin’ny asany fa tsy holaniana fahatany ho amin’ny zavatra tsy mahasoa ny fotoana satria tsy antsika izany.

    Koa satria an’ny Tompo ny fotoana dia aoka ho tsaroantsika fa fampianarana efa nolazain’i Jesoa ny fiaviany tahaka ny mpangalatra. Lesona lehibe eo amin’ny fanompoantsika izany ka mahatonga antsika hibanjina kokoa ny mandrakizay fa tsy ny mandalo sy ho levona. Na ho tampoka aza anefa izany dia aoka hazava fa efa nampiomaniny ela isika tamin’ny alalan’ireo teny sy fampianarana, mba hampiorina sy hampibebaka antsika. Koa hevero izay tandrify fa manana ny fotoanany ny Tompo, tanteraho izay tsara ary aoka hanana teo-panahy araka an’Andriamanitra mba hisehoantsika ho vonona mandrakariva amin’ny fihaviany Tsarovy fa tampoka tahaka ny fihavian’ny mpangalatra ny androny. Noho izany día hikendry hatrany ny voninahiny isika

    Ora firy isan’andro no hiheveranao an Andriamanitra?

    Perikopa 2025

    Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

    | | 16. Ala. XXIII man. Trinite -SAMPATI
    Zef. 3. 6-8 | Mar. 13. 33-37 | 1Pet. 4. 1-6

    | | 23. Ala. XXIV man. Trinite - KPMSV
    Mik. 7. 7-10 | Lio. 21. 5-11 | 1Jao. 2. 24-29

    | | 30. Advento I
    Sal. 75. 1-10 | Lio. 21. 12-19 | Apo. 3. 7-13

    Desambra: MANANTENÀ AN'ANDRIAMANITRA

    | | 07. Advento II
    Job. 11. 13-20 | Jao. 3. 16-21 | 1Pet. 1. 17-21

    FJKM Fahazavana

    Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

    Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO