Alatsinainy, faha 10 Novambra 2025
Sal 104, 31-34 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 506:1,2
Apokalypsy 2. 1-7
Izao Soratra Masina izao dia hafatra ho an’ny Fiangonana tany Efesosy ho fampaherezana, ho fampiomanana, ary fampitandremana ihany koa amin’izay izay mety ho fiviliana noho ny fiheverana fa miorina. Mahita ny ataon’ny olony ny Tompo:
1. Ka mahalala ny faharetany (and.2,3)
Hita ho nahajoro ary tsapa hó nitoetra ary nahasedra ireo fampianarana hafahafa ny Fiangonana tany Efesosy. Tsy zavatra kisendrasendra anefa izany fa noho ny fahatokian’ny olona an’i Jesoa ka nanaovany ho laharam-pahamehana ny fanompoana sy ny fankatoavana ireo fampianarana nomena ny Fiangonana. Ary mbola takiana ho an’ny ankehitrinin’ny Fiangonana izany. Ilaina fatratra ny fijoroana amin’ny fampianarana efa niainana ka mifanaraka tsara amin’izay nampianarin’i Jesoa. Tena mijery antsika amin’izany ny Tompo. Indraindray dia tsy vitan’ny olona ny maharitra amin’izany, vokatry ny zavatra maro mety manery amin’ny fiainana. Koa mahareta ry mpihazakazaka!
2. Ka mahatsapa ny fitiavany (4,5)
Mety manaraka ny fampianaram-pinoana tokoa ny Fiangonana, mety manaraka ireo fandaminana samihafa ary tena ilaina izany. Kanefa raha tsy co ny fitiavana, izay mahafehy ny zavatra rehetra dia zava-poana ihany izany. Tsapan’ny Tompo ny mety ho fihenan’ny fitiavan’ny olona, ka zary adidy ny fanompoana fa tsy fanehoam-pitiavana Ilay niantso. Raha nilaozan’ny mpino ny fitiavana dia mila mibebaka mafy amin’izany izy satria tena fototra iorenan’ny Fiangonana ny fitiavana, ary tsy nisy famonjena raha tsy nisy fitiavana. Mampiorina ny olona mino ny fahatsapany fa mahita azy ny Tompo. Ary tena mampahery ny Fiangonana koa izany ka hananany fanantenana ny amin’ny farany.
Fanontaniana:
Zava-dehibe aminao ve ny fahitan’ny Tompo ny momba anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

