Alahady, faha 09 Novambra 2025

Sal 133,1-4 / Hira 9:1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 305

Resaka nataon’i Jesoa sy ny mpianany rehefa nahavita fanoharana Izy: miezaka manakatra izay tian’ny Tompo ambara i Petera. Ho avy tampoka ny Tompo:

    Hiverina ny Tompo, hijery izay nataon’ny tsirairay ka hanadina izay nankinina taminy avy. Rehefa hiverina ny Tompo dia hanolotra izay sahaza, araka ny nametrahana andraikitra sy fanompoana. Te hizara ny soa avy any Aminy ny Tompo fa mba tanteraho kosa izay nankininy tamintsika. Ho sambatra mihoatra izay andrasantsika isika raha samy mahefa izay andraikiny avy. Kanefa ihany koa tsy ho mpanompo mila sitraka lava fa mpanompo manome voninahitra Ilay Tompo. Koa aoka ho mpanompo mahatoky miasa ara-potoana, tsy hanana henamaso amin’ny olona fa hanana tahotra an’Andriamanitra.

      Raha amin’ny fijery tsotra, toa mahalasa saina ihany ny fomba famalin’i Jesoa an’i Petera. Fa isika izay efa mahalala izay tokony hataontsika vokatry ny fahalalantsika ny sitrapon Andriamanitra, kanefa tsy manefa izany dia hadinina mihoatra noho ny tsy mahalala. Ny fahalalantsika ny sitrapon’ny Tompo dia handrefesana izay havaliny antsika, fa mihoatra lavitra noho ny an’ny tsy mahalala ny valin’ny natao. Hevero Ă¥ry ny hibanjina ny mety ka tsy hanao hatsirambina izay manandrify fa ny fiverenan’ny Tompo dia hamaliany araka izay nataon’ny tsirairay. Noho izany, sahia mametra-panontaniana tahaka an’i Petera rehefa miteny amintsika ny Tompo amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Koa amin’ny fiverenany tampoka no hanadinana antsika satria mamaly ny olona araka ny ataony avy ny Tompo.

      Raha avy tampoka ny Tompo, vitanao ara-dalana ve ny asany?

      Perikopa 2025

      Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

      | | 16. Ala. XXIII man. Trinite -SAMPATI
      Zef. 3. 6-8 | Mar. 13. 33-37 | 1Pet. 4. 1-6

      | | 23. Ala. XXIV man. Trinite - KPMSV
      Mik. 7. 7-10 | Lio. 21. 5-11 | 1Jao. 2. 24-29

      | | 30. Advento I
      Sal. 75. 1-10 | Lio. 21. 12-19 | Apo. 3. 7-13

      Desambra: MANANTENĂ€ AN'ANDRIAMANITRA

      | | 07. Advento II
      Job. 11. 13-20 | Jao. 3. 16-21 | 1Pet. 1. 17-21

      FJKM Fahazavana

      Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

      Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO