Sabotsy, faha 08 Novambra 2025
Sal 125 / Hira 171:1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 460
Jaona 14. 27-31
Jesoa mampahery sy mampionona ny mpianatra satria tonga ny fotoana tsy maintsy hiverenany indray any amin’ny toerany. Mampiomana Izy fa hoavy indray handray ny mino.
1. Ario ny tahotrao (And.27)
Zatra niaraka an’i Jesoa sy mahita Azy mivantana ireto mpianatra, hany ka tsy zavatra mora tamin’izy ireo ny nandre hoe andeha ilay narahana sy nantenaina hatrizay. Tsy anjaran’ny olona anefa no mandamina ny sitrapon’ny Tompo fa Azy irery izany. Noho izany dia nanome toky Izy fa mamela fiadanana ho an’ny mpino Azy, dia fitoniana sy firindram-piainana ho an’ny manaraka ny sitrapony. Koa mampahery Izy mba tsy halahelo satria ilay Fanahy Mpampahery hirahin’ny Ray ho ao amin’izy ireo. Koa atanjaho ny finoana, ary ario ny tahotra fa ny Tompontsika dia mahita ny fiainantsika.
2. Mifalia (And.28)
Ny fanantenan’ny olona dia mpanjaka ny hita maso, handray ny fahefana ety an-tany, ary izany no nandrasan’ny olona maro tamin’i Jesoa, saingy tsy izany ny an’Andriamanitra. Tsy fanjakana ety an-tany no mahamaika Azy, fa satria ny ety mandalo ihany. Maika hamonjy ny olona ny Tompo mba hanana fiainana mandrakizay. Koa izany indrindra no tsy maintsy nanehoany fa mila miverina any an-danitra izy mba hanomanany izay ho antsika. Tsy tia tena akory Izy raha nandeha fa tia antsika ary mitsinjo ny mandrakizay ho antsika. Noho izany, tena zavatra mahafaly ny fandehanany satria mampiorina mafy ny finoantsika handova fiainana feno fiadanana. Afa-tahotra ny mpino miaina handray ny mino Azy. sady manantena fifaliana amin’ny fiverenan’i Jesoa Tompo
Fanontaniana:
Maro ny mpino feno tahotra eo amin’ny ny fiainany. Nahoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

