Alahady, faha 31 Aogositra 2025.
(Sal 150/Hira 351.1-3/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 6)
2 Tantara 19. 8-11
Ny fanarenana ny fitsarana tany Joda
Nanarina ny fitsarana tamin’ny Joda i Josafata mpanjakany mba ho araka ny fitsaran’i Jehovah (and 8).
1. Fanarenana ny fitsarana momba ny fivavahana
Fivavahana masina sy fitsarana marina no andraikitra raisin’ny mpanjakan’i Joda. Ny anarana hoe « Josafata » dia midika hoe: Jehovah no Mpitsara. Ary hotanterahina amin’ny firenena Joda izany fitsarana marina izany, dia ny hanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra. Asa atao voalohany ny fandravana ny fanompoan-tsampy sy ny ratsy (and 3). Ho fiatrehana ny asa dia notendrena ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan’ny fianakaviana (and 8). Ny mpisoronabe no notendrena ho lohany sady lehiben’ny fitsarana, dia i Amaria (and 11). Ireo no tompon’ andraikitra voafaritra amin’ny fitsarana ara-pivavahana marina. Tarafina amin’ny lalan’i Jehovah ny fahamarinana ara-pitsarana. (jereo Eks 18.17-26; Deo 1.17; 16.18).
2. Fanendrena mpitsara amin’ny fitsarana
Dia tahaka izany koa ny fitsarana ara-panjakana sy fiarahamonina ka anendrena ny lehibe, i Zebadia no ho amin’ny raharahan’ ny mpanjaka (and 11). Fandaminana ny adin’ny Fiangonana, «ny rahalahy >> (and 10) no andraikitry ny mpitsara sy ny mpandraharaha fitsarana. Ny ſomba fiasany dia toy izao: ny fananarana aloha vao ny kapoka, izay kendrena amin’izany dia mba tsy ho meloka anatrehan’i Jehovah ny olony ka hiharan’ny fahatezerany.
3. Fampaherezana ireo mpitsara
« Mahereza ka mahefa, Jehovah anie homba anareo » hoy i Josafata mpanjaka (and 11). Mpanapaka, mpitondra, mpitarika mampahery amin’ny raharaham-pitsarana toy izany no sitrak’Andriamanitra. Fitsarana hanao ny marina lavitry ny kolikoly (and 7) no tanjona amin’ny fanendrena. Filaminana sy fahamarinana iainan’ny Fiangonana sy ny fanjakan’ny Joda no sitrak’ Andriamanitra.
Fanontaniana :
Inona no vokatra tsara ho antsika amin’ny fitsarana marina?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

