Alahady, faha 13 Aprily 2025
(Sal 54 / Hira 242.1,4,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira357.1,3)
Asan’ny Apostoly 14. 11-18
Efa mahafantampantatra ny momba izany fivavahana izany ihany ny olona tao anatin’ny faritra nandehanan’i Paoly sy Barnabasy hitory ny filazantsara. Rehefa nahasitrana ilay lehilahy malemy tongotra teo anatrehan’ny olona tao amin’io faritra io àry i Paoly, dia niteny ny olona hoe andriamanitra i Paoly sy Barnabasy. Niteny anefa i Paoly hoe olona ihany izy fa misy Ilay tena Andriamanitra dia ilay Andriamanitra velona:
Nahary izao tontolo izao
Ambaran’izy roalahy eto amin’ireto olona ireto fa velona Io Andriamanitra io. Ary izany velona izany dia tsy mipetraka fotsiny akory, fa miasa sy mihetsika ka manao zavatra. Izy no namorona izao zavatra àry rehetra hitan’ny mason’ny olona izao, dia ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny. Eto àry izy mirahalahy dia niezaka nandresy lahatra ireto olona ireto mba hino an’Andriamanitra Tsitoha, izay Mpahary izao tontolo izao. Manana fahefana tsy misy tahaka Azy io Andriamanitra io.
Mitahy ny firenena io Andriamanitra velona io.
Isan’ny zava-boary noforonin’Andriamanitra ny olombelona, ary raha ny marina dia navahan’Andriamanitra mihitsy, ka tsy mitovy tanteraka amin’ny zava-boahary hafa rehetra izy (cf Gen 2. 28; Sal 8. 4-6). Asehon’i fampianaran-dry Paoly eto fa io Andriamanitra io no mitondra ny làlan’ny olona amin’izay tiany haleha.
Mendrika homem-boninahitra sy hankalazaina Izy
Eo anatrehan’izany dia tsy olona tahaķa an’i Paoly sy i Barnabasy akory no homem-boninahitra fa io Andriamanitra velona io, ka tsy maintsy miomana ho amin’izany ny olona.
Fanontaniana:
Iza no tena mendrika homem-boninahitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe