Talata, faha 08 Aprily 2025
(Sal 18:46-50/Hira 171:1,3/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira133:2,5)
Marka 12. 24-27
Tsy mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ny Sadoseo. Nihevitra ny handresy lahatra an’i Jesoa izy ireo amin’izany ka nanao sarin-teny hafahafa mba hilazana fa diso i Jesoa, ary tsy misy ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Ambaran’i Jesoa mazava tsara mihitsy anefa fa:
Diso izy ireo satria tsy mahay Soratra Masina
Nilaza fanoharana mampihomehy ny tamin’i Jesoa ny Sadoseo (and. 20-23). Nodisoin’i Jesoa anefa izy ireo ka nilazany fa tena ilaina ny ruahafantatra ny hevitry ny Soratra Masina satria diso tanteraka izy ireo amin’izay lazain’ny Soratra masina; tsy azo terena hamoaka izay tsy noteneniny ny Soratra Masina. Tokony ho fantatry ny olona tsara fa hafa ny fomban’ny tany ary hafa ny fomban’ny lanitra. Raha mbola ety an-tany dia mifanambady ny olona fa any an-danitra dia hifankafantatra tsara ny olona rehetra, fa tsy hisy intsony izany fifanambadian’ny olona izany tahaka izay misy ety an-tany.
Mahadiso koa ny tsy fahafantarana ny herin’Andriamanitra
Raha tsy mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ny Sadoseo dia tsy tokony hiteniteny fotsiny tahaka izao ataony izao mihitsy, satria tsy fantany velively ny herin’Andriamanitra. Ary izany herin’ Andriamanitra izany no miasa mandresy ny fahafatesana izay isy azon’ny olona sainina velively. Raha nampiasa ny bokin’i Mosesy mantsy ny Sadoseo dia nampahatsiaro izany koa i Jesoa tamin’ny nilazan’ Andriamanitra Azy hoe: « Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba ». Araka izany olona velona no anehoany an’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba fa tsy maty akory ka diso ny olona tsy mahafantatra ny herin’ Andriamanitra manangana ny maty.
Fanontaniana:
Tena tsara ho fantatry ny olona ve ny hevitry ny Soratra Masina?
Sampana Sekoly Alahady Foibe