Alahady 26 Janoary 2025
Sal 34. 1-3 / Hira 240.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 16
Jakoba 5. 13-18
Ny fiainam-bavaky ny Kristiana
1- Mivavaka amin’ny fotoana rehetra
Jakoba eto dia mamariparitra ny amin’ny tokony ho endriky ny fiainana sy ny fiaraha-monin’ny samy kristiana. Manambara izy amin’izany fa tokony hivavaka mandrakariva ny Kristiana amin’ny fotoana sy amin’ny zavatra rehetra. Na amin’ny fahoriana, amin’ny fifaliana, na amin’ny aretina dia tsy tokony hitsahatra amin’ny vavaka izay endriky ny fifandraisana amin’Andriamanitra hatrany ny mpino, satria izany ihany no ahafahana mampipololotra ny hetaheta sy faniriam-panahy eo amin’Andriamanitra. Aoka tsy ho amin’ny fifaliana ihany no iderantsika an’Andriamanitra.
2- Mifanohana
Ny fanatonan’ny marary ny loholona no ahafahana manosotra diloilo sy mitondra am-bavaka azy. Fifanohanana amin’ny finoana izany. Ilana fifamelan-keloka koa izany fifampitondrana am-bavaka izany araka ny voalaza hoe: « koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha mba ho sitrana ». Ny olona mifankatia sy mifamela heloka no afaka mifanohana amin’ny fitadiavana valim-bavaka ao amin’ny Tompo. Ilana faherezana sy fikirizana izany fivavahana hitadiavana vahaolana izany. I Elia dia olona toa antsika ihany; ny faherezan’i Elia nivavaka no namalian’ Andriamanitra azy tamin’izay nangatahany ka nitondra akony teo amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina. Mahereza àry mifanohana amin’ny vavaka satria ny vavaka manova zavatra.
Fanontaniana:
Vonona ve ianao hifanohana am-bavaka amin’ny fotoana rehetra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe