Talata 24 Desambra 2024
Isaia 11:1-9
Ny fahatongavan’ny Mesia
1- Miseho amin’ny endrika feno fanetren-tena
Noharin’ny mpaminany Isaia amin’ny hazo voakapa ny fianakavian’i Jese. Ny anaran’i Jese dia mampahatsiahy antsika ny taranaka niavian’i Davida, izay tambanivohitra mavomavo. Ary ho toy izany no fiavian’ny solofony, dia tsy iza fa ny Mesia: ho kely dia kely toy ny ravina vao mitsimoka avy amin’ny fototry ny hazo nokapaina. Tsy hijanona hatreo anefa fa hisy « mitrebona » izany hoe rantsana hamoa sy hamokatra be avy amin’ny fakany. Milaza ny fitahiana sy fahasoavana be entin’ny Mesia izany.
2- Miasa amin’ny herin’ny Fanahin’i Jehovah
Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’i Jehovah, adika hoe: « fofonaina », na « herin’Andriamanitra miasa » mba hanatanterahany ny raharaha nanirahan’Andriamanitra Azy, dia ny famonjena izao tontolo izao; ary koa hitondrana ny firenena rehetra ara-drariny mifanaraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra (and.2-5). Hahazo rariny amin’izany ny mahantra, dia ireo izay tsy mba manan-tany sady tsy mba afaka hiaro tena eo anatrehan’ny fitsarana; toy izany koa ny manetry tena sy ny mpandefitra, dia ireo izay miandry sy manaiky ny fitondran’ Andriamanitra ka mametraka ny raharahany eo am-pelatanany. Ireo ratsy fanahy manao tsinontsinona ny mahantra kosa dia haringany (and.4)
3- Manova ny firindran’ny zavaboary
Rehefa ho levona ireo ratsy fanahy amin’ny tany ka hanenika ny tany manontolo ny fahalalana an’i Jehovah dia hiova tanteraka ny firindran’ny zavatra rehetra, ary hanjaka ny fiadanana. Hisy fiantraikany amin’ny fiainan’ny olona izany, ny biby fiompy (and 6-7), ny fandriam-pahalemana (and.8), ny tontolo iainana (and.9). Izany no mariky ny fahatongavan’ny Mesia.
Fanontaniana:
Inona no fiovana andrasanao amin’izao Krismasy ho avy izao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe