Alahady 03 Novambra 2024

Amosa 5.4-11

Ry olombelona ô!

1. Dieny mbola velona, tadiavo Jehovah

Izay voalazan’ny and-4b sy ny 6a, dia mitarika antsika mba hanana toe-panahy hitady an’Jehovah. Ahoana ary ny fomba hitadiavana Azy? Mila mihaino ny Teniny, mifandray tsy tapaka Aminy amin’ny alalan’ny vavaka, mazoto mamaky tenin’Andriamanitra, manaiky ny hiasan’ny Fanahy masina, fa izany no toe-panahy araka an’Andriamanitra. Izy no tadiavina fa tsy mila miantehitra amin’ny zavatra hafa. « Aza mitady an’i Betela, na mankany Gilgala » (and.5) Miantefa amintsika izany antso izany, indrindra amin’izao vanim-potoana andalovantsika izao, tadiavo Jehovah fa Izy no manam-pahefana amin’ny zavatra rehetra, sy amin’izay atao sy heverina. Mbola tsy tara isika, manatóna an’Andriamanitra, tadiavo Izy, mitodiha Aminy fa miandry antsika Izy, manetre tena, fa hoy ny Soratra Masina « Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy » (Jak 4. 10). Rehefa mitady an’Andriamanitra isika, dia inona ary no tokony hatao mba tena hahitantsika Azy?

2-Manana toe-panahy mankahala ny ratsy

Raha izay voalaza eto amin’ny Amosa toko faha 5 dia mitaona antsika mpamaky mba hankahala ny ratsy rehetra. Hita miverimberina eto ny teny hoe: Ankahalao ny ratsy ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am- pitsarana ny marina…. Izany hoe miroso amin’ny fahatsarana, tsy manafina ny marina sy tsy manao tsinotsinona ny malahelo (mahantra). Mitady ny tsara hatrany mba hisitrahana ny soa avy amin’Andriamanitra Raintsika, fa tsy ny mifanohitra amin’izany. Ny antony ahavelomantsika dia ny hananantsika ny toe-panahy mankahala ny ratsy. Aoka tsy ho fombafomba fotsiny no hivavahana ka hanaram-po amin’ny ratsy. Manàna tanjona hiaraka amin’ny Tompo mba hanam-piadanana ao amin’i Kristy Jesoa

Fanontaniana:

Inona avy ireo sakana mety tsy ahitantsika an ‘Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024/2025

Desambra: MANETRY TENA NY MPINO

| | 08. Advento II - Sampana Sekoly Alahady
Ohabolana 29. 15–23 | Marka 9. 33–37 | 1Petera 3. 8–12

| | 15. Advento III
Isaia 57. 15–21 | Lioka 14. 7–11 | Kolosiana 2. 16–23

| | 22. Advento IV
Genesisy 3. 9–15 | Lioka 9. 46–50 | Romana 16. 17–20

| | 25. KRISMASY
Mika 5. 1–5 | Matio 1. 18–25 | Filipiana 2. 1–11

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024