Alatsinainy 30 Septambra 2024
Genesisy 35.9-15
Ny mpino miorina amin’ny finoana dia:
1- Mahazo fitahiana
Rehefa niverina avy any Mezopotamia i Jakoba, hihaona amin’ny rahalahiny dia nisehoan’Andriamanitra, ka notolorany fitahiana. Ny fanomezan’ Andriamantra anarana dia manambara ny fahefana sy maha Izy Azy, ary manaporofo ny fifandraisany akaiky amin’ny mpanompony. Tsy natao hoe Jakoba intsony no anarany fa « Israely ». Fitiavana lehibe no azon’i Jakoba miaraka amin’ny fiovan’ny anarany. Ireto avy izany: hahazo taranaka maro mandimby, hisy mpanjaka maro sy firenena maro avy ao aminy, omena tany izy sy ny taranany (hiainana, hivelomana, hilevenana). Andriamanitra dia manolotra fitahiana ho an’izay miorina amin’ny finoana. Miorena tsara, ny Tompo dia tsy manadino fa manome fitahiana ho anao na dia mandalo lalan-tsarotra aza ny fiainana indraindray.
2- Manamafy ny fanekeny amin’ Andriamanitra
Andriamanitra dia niakatra niala teo amin’ilay nisehoany taminy. Izany hoe: milaza amintsika fa teo amin’ny olona Izy, ary nanaiky nifandray taminy. Nidina tety an-tany Izy nanetry tena hitovy amin’ny olona na dia Andriamanitra aza. Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy izany, ho fanatanterahana ny fanekena nataon’ Andriamanitra tamin’ny olona. Manavao ny fanekeny amintsika Izy, ho mariky ny famonjeny antsika sy izao tontolo izao. Nidina niala tamin’ny toerana mendrika Azy Izy, fa rehefa vita ny asany dia niverina any amin’ny izay naniraka Azy Izy.
Fanontaniana:
Lazao izay fantatrao momba ny teny hoe fitahiana.
Sampana Sekoly Alahady Foibe