Sabotsy 28 Septambra 2024

Jakoba 1.1-4

Ny olona miorina amin’ny finoana,

Antsoina hoe Epistily katolika ity epistily nosoratan’i Jakoba ity satria nosoratana ho an’ireo Kristiana maneran-tany. Tsy mba tahaka ny Epistily nosoratana ho an’ny Fiangonana izy ity fa ahitana torolalana ho an’ny Kristiana manoloana ny fizahan-toetra. Ahoana tokoa moa no iatrehana izany?

1- Miaina ny fizahan-toetra amin’ny fifaliana

Izao no voasoratra: « ataovy ho fifaliana avokoa ». Tsy amin’ny alalan’ny fisentoana na fitarainana no iainana ny fizahan-toetra fa atrehina amin’ny fifaliana. Ny Kristiana dia miatrika fizahan-toetra sy fakam-panahy isanandro. Ny mpahay Baiboly sasany dia milaza hoe: mitovy ny fizahan-toetra sy fakam-panahy fa ny fanehoan-kevitra no maha samihafa azy. Ny mpanoratra eto dia miteny hoe: ataovy fifaliana raha iharan’ny fakam-panahy ianareo. Satria ny olona miorina amin’ny finoana dia azo antoka fa afaka handresy, na manao ahoana na manao ahoana.

2- Miatrika ny fizahan-toetra amin’ny faharetana

Ho an’izay manam-pinoana, raha mandalo fizahan-toetra dia takiana ny fiaretana. Ny mpanoratra dia milaza amintsika mpamaky fa ny finoana dia misy fampiharana eo amin’ny asa izay atao, eo amin’ny fiainana andavanandro. Mila faharetana nefa izany. Ny faharetana ananan’ny mpino manoloana ny zava-tsarotra tsy maintsy atrehiny dia isehoan’ny finoana maharitra ao anatiny ka ho vavolombelon’Ilay naniraka azy. Ry havana, na dia nandalo zava-tsarotra aza i Jesoa Kristy teo amin’ny asa nanirahin’ Andriamanitra azy, dia nanam-paharetana izy, ho modely toa Azy koa isika. Tsarovy fa ny faharetana eo amin’ny mpino no ohatra ho an’ny hafa.

Fanontaniana:

Ahoana no nataonao raha nandalo fizahan-toetra ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

29

Perikopa 2024

Oktobra: MIHAVAO AO AMIN'NY TOMPO NY MPINO

| | 13. Ala. XX man Trinite - Radio Protestanta FFPM
1 Mpanjaka 3. 5–15 | Jaona 9. 24–34 | 2 Korintiana 4. 16–18

| | 20. Ala. XXI man Trinite - Masera MAMRE
Joba 42. 1–6 | Matio 6. 5–8 | Romana 1. 8–12

| | 27. Ala. XXII man Trinite - SaFiF FJKM - Reformasiona
2Tantara 29. 31–36 | Matio 21. 23–32 | Romana 12. 1–2

Novambra: IAINO NY TOE-PANAHY ARAKA AN'ANDRIAMANITRA

| | 03. Ala XXIII man Trinite
Amosa 5. 4–11 | Matio 18. 21–35 | Romana 12. 9–21

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024