Alarobia 25 Septambra 2024

Marka 5. 25-34

Tantara maneho fahasitranan’ilay vehivavy narary nandritra ny roa ambiny folo taona no ampitain’ny Filazantsara eto amin’ity Soratra Masina ity. Misongadina eto ireo dingana nirosoan-dravehivavy.

1- Namelona ny finoany sy fanantenany ny fandrenesana ny amin’i Jesoa (and 27a)

Niaritra zavatra betsaka tamin’ny mpitsabo ravehivavy, sady koa tsy afaka niditra tao amin’ny Synagoga akory satria nosokajiana fa aretina maloto ity areti-mitaiza azy ity. Mafy tokoa izao toe- javatra lalovany izao, ary azo ambara fa efa eo amin’ny lalan’ny fahavereza-kevitra izy. Rehefa nahare ny amin’ i Jesoa izy dia velom-panantenana; nino izy fa hahasitrana azy i Jesoa. Ny fandrenesany ny amin’i Jesoa dia ampy hitondra finoana ho azy.

2- Nanetsika azy hanatona an’i Jesoa ny finoany (and 27b)

Rehefa nandre ny amin’i Jesoa izy, dia tsy nitomoe-poana fa nisy hetsika nataony, namakivaky tanatin’ny vahoaka maro mba hankeo ivohon’i Jesoa hahafahany manendry ny lambany. Izany no ilazana fa nahatonga herim-po sy fanapahan-kevitra lehibe teo amin-dravehivavy ilay finoana tao anatiny. Na dia misy olana tsy maintsy sedraina aza, dia tsy nahasakana azy tsy hahatratra ny tanjona hikasihany an’i Jesoa ireny. Izany koa no finoana andrasana amintsika.

3- Voaporofo fa mpamonjy mora azo Jesoa (and 34)

Nasehon’i Jesoa fa misy vokany tsara ny fanapahan-kevitr’ity vehivavy nino sy nanatona Azy: ritra ny loharanon’aretiny (and 29); nahazo teny mamy tamin’i Jesoa izy: « Anaka, ny finoana nahasitrana anao: mandehana soa amantsara, ary sitrana amin’ny aretinao »(and 34). Mitondra fahasitranana, handraisam-pahasoavana ny finoana an’i Jesoa; ka ijoroy mandrakariva izany.

Fanontaniana:

Mitondra inona eo amin’ny fiainanao i Jesoa Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 20. PASKA
Daniela 6. 26-29 | Matio 28. 1-17 | Apokalipsy 2. 8-11

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina