Sabotsy 10 Aogositra 2024

Hebreo 10, 19-25

Jesoa Kristy Tompo

1- Nandatsaka ny ràny ho antsika

Nandatsaka ny råny ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa. Tsy mba tahaka ny fanatitra tany amin’ny Testamenta Taloha fa Izy mihitsy no nanaiky antsitra-po. Fanatitra tsy manan-tsiny, fanatitra ankasitrahan’ny Ray, ary fanatitra indray mandeha monja. Ampy ho antsika ny rà nalatsany ka tsy mila fanatitra hafa intsony isika. Teo aloha dia ny mpisoronabe irery ihany no afaka miditra ao.

2- Nanokatra ny toerana masina ho antsika amin’ny toerana masina indrindra.

Rehefa nanolotra ny Tenany teo amin’ny hazo fijaliana anefa i Jesoa dia triatra ny efitra lamba. « Manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ràn’i Jesoa » (and 19). Afaka miantso ny Tompo mivantana isika, miresaka Aminy, mangataka famelana, ary mandray famelan-keloka.

3- Manokatra lalana vaovao ho antsika

« Lalana vaovao sady velona … dia ny nofony » (and 20): Jesoa Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Izy no antoka manome fiainana vaovao ho antsika sy mitarika antsika amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao. Noho i Jesoa Tompo dia tonga olom-baovao isika. Tsara ny Tompo!

4- Mahatonga antsika hanatona amin’ny fo voadio

Ny fo, ny fieritreretana, ny tena dia samy afaka manatona ny Tompo amim-pahatokiana sy am-pinoana. Ampy hanadio antsika ny rà soan’i Jesoa ka tsy mila fanadiovana hafa intsony. Mampahonena ny mahita olona an’alina mbola fitahin’ny hafa amin’ny fanadiovana amin’ny tapa-kazo sy fombafomba lazaina fa maneho ny maha Malagasy.

Fanontaniana

Nahoana no nosokafana ho antsika ny toerana masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 15. Ala. XVI man. Trinite
Genesisy 35. 1–7 | Matio 21. 18–22 | 1Timoty 4. 6–10

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024