Zoma 09 Aogositra 2024

Salamo 93, 1-5

« Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro Jehovah !. » (and 5)

Ny trano Fiangonana

1- Toerana anandratana avo ny anaran’ny Tompo.

Maro ireo toerana ahafahana manandratra avo ny anaran’ny Tompo. Isan’izany ny Fiangonana. Ity Salamo ity dia isan’ny hiraina mandritra ny fanompoam-pivavahana. Tanisaina ato ny maha Mpanjaka ny Tompo; ny fiandrianany tsy manam-petra, ny fiombonan’ny voahary rehetra manandratra avo ny Anarany. Fiainan’i Jesoa ihany koa ny fanandratana avo ny anaran’ny Ray araka ny nambarany hoe: « Midera anao Aho raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany… » (Mat 11, 25). Araka izany dia tsy toerana fimonomononana, na hifandranitana amin’ny samy mpianakavin’ ny finoana ny Fiangonana, fa fiderana.

2- Toerana hanambaràna ny herin’ny Tompo

« Jehovah mitafy, eny misikina hery Izy » (and 1b): Tsy ho voatanisantsika velively ny fahalebiazan’ny herin’ny Tompo: hery mpanorina sy mpanangana, hery mpiaro, hery mitantana sy mivimbina, hery mitondra fandresena miezinezina. Ao amin’ny Jesoa Kristy io hery io. Izy ilay Mpandresy ka miteny amintsika hoe: « Matokia, izaho efa naharesy izao tontolo izao« . (Jao16, 33).

3- Toerana hanjakan’ny fahamasinana

Voatokana ho an’ny Tompo ny Fiangonana. Ny fahamasinan’ny Tompo no asongadina ao. Miantefa amin’ny mpino kristiana izany fahamasinana izany. Izay rehetra ao, ny olona, ny fanaka, ny hira, ny fizotry ny fotoana manontolo … dia samy voatokana ho Azy avokoa.

Fanontaniana

Aiza avy no ahafahana manome voninahitra ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 15. Ala. XVI man. Trinite
Genesisy 35. 1–7 | Matio 21. 18–22 | 1Timoty 4. 6–10

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024