Alarobia 07 Aogositra 2024
Eksodosy 40, 12-16
Ny fanokanana mpanompon’Andriamanitra
1- Mila fanendrena sy fifidianana
« Ary ento Arona sy ny zanany… » (and 12a): Tononin’ny Tompo amin’ny anarany ireo izay nofidiny manokana hanatanteraka ny fanompoana. Izany koa no nataon’i Jesoa rehefa niantso sy nifidy ny mpianany hiara-miasa Aminy.
2- Misy fiomanana manokana
« …Ka ampandroy amin’ny rano izy » (and 12b): Tsy afa-misaraka amin’ny fiomanana sy fanomanana ny resaka fahadiovana sy fidiovana. Izay rehetra mandray anjara amin’ny fanompoana dia tsy maintsy ho fitaratra amin’ny fahadiovana amin’ny lafiny rehetra: fitondran-tena, fitantanana. Ny ràn’i Jesoa no tena manadio antsika.
3- Misy fitafiana manokana
« Ary ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina » (and 13). Tsy ny fitafiana rehetra akory dia mety anaovana daholo ho an’ny fanompoana manokana. Misy ny fanamiana voatokana ho amin’ny fanompoana. Ity no toromarika omena antsika: « Fa itafio Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy amin’ny nofo hahatanteraka ny filàny » (Rom 13, 14).
4- Misy hosotra sy fanamasinana
« Dia hosory sy hamasino izy« : Tsy fombantsika ny misora-tena na mandeha tsy voizina. Misy ny fepetra mialoha ny firotsahana. Misy ny tompon’andraikitra manokana manatanteraka izany. Ny olom-boahosotra kosa dia hifantoka tsara amin’ny zara fanompoany manokana.
5- Mitohy amin’ny fanompoana
Andraikitra masina ny raharaham-pivavahana. Zarazaraina ho samihafa ny fanompoana fa ny Tompo dia iray ihany.
Fanontaniana
Inona avy ireo fepetra mialoha ny firotsahana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe