Alahady 04 Aogositra 2024
1Petera 1, 13-16
Ry mpanompon’i Kristy:
1- Sikino ny sainareo.
« Koa amin’izany, sikino ny sainareo » (and 13a): Misy akony lehibe eo amin’ny fiainan’ny mpino ny fisainany. Rehefa ny sainy no tapa-kevitra dia manaraka izany ny momba ny tenany rehetra. Fa rehefa eo ny fisalasalana, dia toy izany koa ny sisa. Baiko no omena antsika eto, mba hifoha tsara hatrany, fa tsy ho varimbariana ka hiambina tsara. Hoy Paoly hoe: « Miová amin’ny fanavaozana ny saina ».
2- Mahonona tena.
Fahavononana tsara amin’ny hetsika izay atao no tohin’ny fahononan-tena. Rehefa manana fahononan-tena tsara ny mpianatra ka mifantoka amin’ny fianarany dia atrehany am-pahavononana ny fanadinana. Manana fahavonona sady feno fanantenana tsara amin’ny hisehoan’ny Tompo izay niaina tamin’ny fahononan-tena.
3- Aoka ho masina ianareo.
Miverimberina ao amin’ny baiboly ny baiko amin’ny fahamasinana. Izay manana ny Fanahy Masina mitoetra ao aminy no afaka mandeha amin’ny fahamasinana. Mihaino ny fitarihan’ny Fanahy; mandeha araka ny Fanahy; sahy miavaka amin’izao tontolo izao. Ny fiombonana fiainana feno amin’ny Jesoa Tompo no antoka hananana izany.
4- Masina ny Tompontsika.
Mitaky fahamasinana tanteraka ny fanarahana ny Tompo. Izao tontolo izao dia tsy mahalala velively ny momba ny Tompontsika. Amin’ny fandehanatsika araka ny sitrapony amin’ny fahamarinana sy fahamasinana no ahatsapan’ny hafa ihany koa ny mampiavaka ny Tompo.
Fanontaniana
Inona avy no mampiavaka ireo mpino miorina tsara?
Sampana Sekoly Alahady Foibe